Mandritry ny fidiran'ny mpitarika otronon'ireo pretra miaraka mankalaza sy ny mpanotrona eo amin'ny sorona no hanaovan'ny vahoaka ny tononkira mifanandrify  amin'ny venti-kevitry ny litorjia ankalazaina amin'iny andro iny, izay ilay hira fidirana. Ny tononkira fidirana dia teny avy amin'ny Soratra Masina, fohy mamintina na mampifandray, ny foto-kevitra amin'iny andro fankalazana iny... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Ny fanokafana ny fankalazana dia fandraisana ireo rehetra tonga hamonjy Lamesa, no sady hisarihana ny fo amam-panahin'ny mpino hifantoka ao anatin'ny fankalazana, azo adika ho famondronana izany. Ao anatin'ny hira fanombohana no hidiran'ny mpisorona miaraka amin'ireo mpandraharaha rehetra eo amin'ny sorona, mandritra izany koa ny fiarahabana ary ny fanomanana ho amin'ny fifonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Ny fankalazàna ny Eokaristia na Lamesa na Sorona Masina, araka ny fahalalantsika azy dia manomboka eo amin'ny hira fidirana na fanombohana ary mifarana amin'ny hira fanirahana. Mivelatra ho fizaram-potoana miisa roa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny : voalohany ny famoriana na fanokafana ny fankalazana ary ny faharoa dia ny fankalazana ny Sorona na ny litorjian'ny Eokaristia... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Sakramenta ny Eokaristia. Io Eokaristia io no manambara an'i Kristy sy ny fiffanekeny nataony ho antsika olombelona ankehitriny. Ny Eokaristia no faratampon'ny fiainana ny sakramenta rehetra satria izy no mampiombona ny Kristiana rehetra amin'ny tolotr'i Kristy, "amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy" dia tonga mitoetra ao Aminy isika, mba hanajantsika ny Ray miaraka amin'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...