Tsy ny safidin'ny olona tsirairay ihany no misy fiantraikany amin'ny aina, fa misy koa ny kolontsaina, ny rafitra, ny toe-tsaina ary ny fomba fisainan'ny fiaraha-monina, mety hakasika ny azy. Misy ny fomba hananganana kolontsain'ny aina amin'ny alalan'ny fiarovana ny marefo, fiahiana ny fanabeazana, fahasalamana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Tsy ny fahafahan'ny olona mamokatra no mamaritra ny hasiny. Ny zokiolona dia mpitahiry fahatsiarovana, mpampita finoana, mpampita kolontsaina ary loharanon'ny fahendrena. Ny Tsara raha havahana ny euthanasie, ny fanampiana olona hamono tena, ny fampitsaharana fitsaboana lasa tsy mifanaraka intsony amin'ny toe-pahasalaman'ny marary ary ny soins palliatifs... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Rehefa teraka ny zaza dia tsy tapitra foana akory ny adidy amin'ny fiarovana ny aina fa eo koa ny fampisitrahana ny zo, dia ny zo hiaina, hahazo sakafo, zo hotsaboina, zo hanana fianakaviana, zo mifamatotra amin'ny fanabeazana ary eo hatrany ny fiarovana. Maro ireo tranga maningotra ny aina : herisetra, fanararaotana, fanondranan'olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Tsy ny hanameloka olona no tanjontsika fa ny hahafantarana tsara ny zava-misy sy ny fampianaran'ny Fiangonana momba ny aina sy ny hasiny. Tsara no hanavahana ny fanalan-jaza tsy niniana (Avortement spontané) sy ny fanalan-jaza niniana (avortement provoqué) satria samihafa ny toe-javatra amin'ireo fa eo koa ny maha samy hafa ny zavatra niniana natao sy ny vokatra tsy nokendrena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco