Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...