Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tamin'ny alalan'ny Teniny no nanambaran'Andriamanitra ny tenany. Tsy nitazana fotsiny ny fahalavoan'ny olombelona tamin'ny fahotana Andriamanitra fa tompon'andraikitra amin'izay nohariany Izy, amin'ny alalan'ny famonjerana maro lafy. Na dia nisy aza ny endri-pamaizana samihafa dia nisy ireny mba hitazonana ny fahalavorariana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy fototry ny fahotana fotsiny ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra fa io tsy fihainoana io ihany koa no mahatonga ny fahafatesan'ny olombelona, izay tsy mihaino ny Tenin'Andriamanitra dia anisan'ireo maty mandrakizay izany hoe tsy ho isan'ireo hitsangan-ko velona. Rehefa miala amin'Andriamanitra isika olombelona dia maty anefa mbola miezaka mamonjy antsika amin'ny fomba maro izy Mpahary... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco