Alarobia 14 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

0 : 00

Azo lazaina ho fanakianana mivaivay no azon'ny Farisianina sy ny mpampiana-dalana tamin'i Jesoa androany. Tsy hoe fanakianana be fahatany miendrika fankahalana akory, fa fanakianana hahatsara zavatra, hanitsiana ny fiainana. Misy tokoa izany toetra tsy fampiseho masoandro izany no mbola manjaka ankehitriny, ataon'izay mba manana andraikitra, any amin'ny sehatra samihafa any. Tsy ny rehetra akory no manao izany, fa misy foana ny mpanao ramatahora, misy foana ny mpanao tsindry hazolena, misy foana ny mpanao kely tsy mba mamindro, ary misy foana ny mpitsentsitra ny hatsembohan'ny hafa... Toetra tsy mendrika izany, na manoloana an'Andriamanitra, na manoloana ny mpiara-belona. I Kristy ihany anefa no efa nilaza fa inona moa no soa azon'ny olona raha azony daholo izao rehetra izao nefa very ny fanahiny.

Ry havana, aoka hifanaraka amin'ny lazain'ny vava ny atao, fa ny toky hono fitaka, fa ny atao no hita. Matoa i Jesoa niteny mafy ny Farisianina sy ny mpampiana-dalana dia tsy te hanan-dratsy Izy, ka ny tiana ihany no hanarina ary ny zanaka tiana tsy hitsitsina rotsa-kazo. Koa aoka àry isika hanana fitondran-tena mendrika, mba hiorina tsara ao amin'Andriamanitra. Tia any Ianao ry Jesoa, ka mampiombona anay, mampihavana anay amin'ny Ray. Koa aza ny otanay re no jerena, ry Andriamanitra, fa ny fitivan'i Jesoa Zanakao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...