Zoma 02 ôktôbra 2020 — Anjely Mpiambina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5.10 — Misaora ny Tompo ry tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.

0 : 00

Ry kristianina havana, isaky ny 02 ôktôbra ny Fiangonana dia mahatsiaro ny Anjely Mpiambina. Raha tsiahivina ny asan'ny Anjely dia hoe, fiderana ny voninahitr'Andriamanitra mandrakizay, mitondra ny hafatra avy amn'Andriamanitra ho antsika olombelona ahalalantsika ny sitrapon'Andriamanitra ary miaro antsika amin'ny hasomparan'ny fahavalo.

Ny toetran'ny zazakely no ampinarin'i Kristy amin'ny Evanjely nohenointsika teo. Ny zaza sy ny ankizy mantsy, lavorary, tsy misy tsiny, mendrika. Tsy mihambo ho hendry sy mahay izy ireny fa tsotra sy manetry tena ary matoky. Tsy lavitra ny toetran'ny Anjely izany, ary izany indrindra no hatsaram-panahy ankasitrahan'Andriamanitra. Izany no toetra mendrika ny fanjakan'Andriamanitra. Tandremo ny madinika hoy i Jesoa, satria mibanjina ny Ray isan'andro any an-danitra ny anjelin'izy ireny. Ny tian'i Jesoa ambara amin'izany dia hoe ao am-pon'Andriamanitra ireny madinika ireny. Sarobidy aminy izy ireny. Matokia àry isika, fa mariky ny fiahian'Andriamanitra antsika ny fanomezany antsika Anjely Mpiambina, ary matokia fa isika maintehitra amin'Andriamanitra dia hovonjeny, hiara-paly amin'ny Anjely any an-danitra rahatrizay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...