Alarobia 30 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62 — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
Ry kristianina havana, ampahatsiahivin'ny Evanjely amintsika anio ny fepetra hanarahan-dia an'i Kristy.
Voalohany, na inona na inona firehetam-po, na inona na inona hafanam-po : fanapahan-kevitra tsy ankifody ny maha kristianina. Manaiky tsy hanana na izay hampandriany ny lohany aza, izany hoe, mandao ny zavatra rehetra.
Faharoa, tsy mangataka andro fa eo no ho eo dia mandeha, satria maika dia maika ny famonjena. Na ireo fomban-drazana mafy orina indrindra aza, aleo ny Evanjely no ho tompon'ny teny farany, fa tsy ireny fomba ireny. Izay mantsy no atao hoe kristianina : omena an'Andriamanitra manontolo ny fiainana. Omena tsy misy fepetra, omena tsy misy fetra. Ny hoe manara-dia an'i Kristy dia miana ny fiainan'Andriamanitra ary manantena ny fiainana mandrakizay.
Fahatelo, ny fandaozana ny fianakaviana. Anisan'ny sarobidy indrindra amin'ny kolontsaina tatsinanana izany fianakaviana nipoirana izany, ary fehezin'ny didy fahefatra ny fifanajana ao. Any amin'ny andininy hafa amin'ny Evanjely i Jesoa dia milaza mazava hoe : izay tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ny rahalahiny sy ny anabaviny, ny havana aman-tsakaizany dia tsy mety ho mpianatro. Raha fintinina izany rehetra izany dia hoe mendrika hanaovana sorona ny zavatra rehetra ny fanjakan'Andriamanitra. Amen.