Alahady 27 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

0 : 00

Ry kristianina havana, hanentanan'ny Fiangonana antsika amin'ity herinandro faha-26 mandavantaona ity ny fotokevitra hoe "Ny toky fitaka fa ny atao no hita". Fampifanarahana ny atao sy ny asa amin'ny teny lazain'ny vava no tiana holazaina amin'izany. Ary ilay fanontanian'i Jesoa hoe : "Ahoana ny hevitrareo ?" dia mampitodika ny tsirairay amin'ny fiainany anaty, mampitodika ny tsirairay amin'ny feon'ny fieritreretany.

Ny mampandinika antsika voalohany amin'ity fanoharana ity, dia ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin'ny fotoana ankehitriny ; mampahatsiahy ny didy fahefatra izany. Adidin'ny ray aman-dreny ny mikarakara ny zanany, fa adidin'ny zanaka kosa ny manaja sy mankato ray aman-dreny. Mampanahy ny toe-javatra akehitriny satria, dradradraina mafy ny zon'ny ankizy, ary ampianarina mihitsy izy ireny hitaky izany zony izany. Ny olana dia ny tsy fampianarana azy ireny ny adidiny hanaja sy hankato ray aman-dreny, hany ka izy ireny indray no mibaiko ny ray aman-dreny, satria mandeha ila ny fampianarana. Vokatr'izany, mikorontana ny fiainan-tokantrano. Ny fitiavan-tena : ny fitakiana zo tsy hombana fanefana adidy.

Ilay zanaka lahimatoa amin'ny fanoharana, izay nandà fa avy eo nanenina ka nanaiky handeha hanatanteraka ny iraky ny rainy, dia fanambarana hoe tsy misy mpanota natao ho very izany eo anatrehan'Andriamanitra, izany hoe, rehefa mibebaka isika dia manaiky Andriamanitra. Afaka manavao antsika Izy, fa tsy manidy antsika ao amin'ny lasantsika akory. Afaka miova ny olona rehetra, afaka mibebaka. Tsy misy natao ho very fa afaka mahazo ny lalam-pamonjena avokoa. Ilay zanaka faharoa no tena hifantohan'ilay fanoharana kosa : nanao "eny" teo am-bava, fa "tsia" tamin'ny nataony. Tsy ampy ny teny tsara lahatra. Firifiry izay teny tsara lahatra sy hevitra tsara tefy izay, fa mbola izao ihany ny fiainantsika satria tsy narahana asa ; nijanona ho kabary ambony vavahady, kobaka am-bava sy volana an-tenda. Ny finoana tsy hevitra na teny fa toe-piainana. Hoy ny Ntaolo razantsika hoe : "Teny zato, kabary arivo, fa tokana ihany ny marina", dia izay arahana asa. Ny toky fitaka fa ny atao no hita. Enga anie ny fiainantsika manontolo ho fampiharana amin'ny asa, izay toriantsika amin'ny teny. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...