23 ôktôbra — Teraka tao Naples, tao Aquila, Capistran, ny 24 jona 1386 i Jean. Tompomenakely ny rainy. Mbola kely izy no maty io rainy io ka ny reniny no nanome azy ny fanabeazana fototra. Avy eo nalefa tany Pérouse nandritra ny folo taona izy, nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana.

Notendren'ny mpanjaka Ladislas ho governora tao Pérouse izy. Mpitsara tena marina sy tsy azo novidiana mihitsy i Jean, ary tena tsy mitsitsy izy ho an'ireo izay manao fahadisoana mahatonga korontana. Nisy tompomenakely iray saika hanao kolikoly taminy, hanameloka ho faty ilay olona nifanandrina taminy. Rehefa nandinika sy nandalina tsara ny zava-misy sy ny zava-nitranga i Jean dia namoaka didy ka nafahany madiodio ilay notoriana, na dia norahonan'ilay mpitory aza. Saika hanambady vehiavy mpanan-karena izay i Jean, tamin'izay koa izy anefa nandamina ny fandriampahalemana tao Pérouse sy Rimini ka tamin'io fotoana io no nisy namadika azy ary nosamborin'izy ireo izy, nofatorany rojo vy ny tongony. Nanandrana ny handositra i Jean, nanaraka ny halavan'ny rindrindra ivelan'ny fonja ka nianjera ary tapaka ny tongony. Tratra indray izy ka natsipy tany anaty lakavy. Rehefa afaka tao amin'izany fonja izany izy dia namidiny ny fananany. Nomeny ilay fofom-badiny izay tokony ho azy ary nozarainy tamin'ny mahantra ny ambiny. Avy eo izy, nangataka hiditra tao amin'ny fikambanana Observant tao Pérouse.

Tsy natoky izany fanirian'i Jean izany ny lehiben'ity fikambanana ity ka nilaza fa tsy natao ho an'ny mpirenireny ny fikambanana. "Raha tena izany no marina, hoy ity lehibem-pikambanana ity, dia lazao ampahibemaso ho ren'ny vahoaka fa tena manana izany fiantsoana izany ianao". Dia lasa i Jean, nitaingina apondra, nitety tanana, nisatroka baoritra nanoratany ny fahotany ho hitan'ny rehetra. Tamin'izany izy dia noheverin'ny olona ho adala ka nohesoina sy nompaina. Tao aorian'izay dia noraisin'ny Franciscains tao Pérouse izy ny 04 ôktôbra 1416. Nanomboka teo dia nikarakara ny zokiolona izy, navitrika tamin'ny vavaka, nafana fo sy be fitiavana tamin'ireo rahalahiny narary, nanome ohatra tamin'ny fanekena ny fampiharana ny fiainana sy ny fitsipika rehetra : entitra izy tamin'izany. Ny taona 1420 no nahazo ny laharana maha diakra i Jean, ary nohamasinina ho pretra ny taona 1425, dia nitoriteny tsy nahalala sasatra nitety an'i Italie, ka nataony tamin'izany ny fanoherana ny fampianaran-diso sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Tao aorian'ny Concile de France dia voatendry ho Nonce Apostolique tao Sicile i Jean de Capistran. Niezaka nanavao ny fitsipika sy ny fiainam-pikambanana koa anefa izy tamin'izany. Maro ny toerana noteteziny hitoriana ny Vaovao Mahafaly : Carinthie, Autriche, Bohème, Moravie, Silésie, Bavière, Thuringe, Saxe, Franconie, Pologne, Transylvanie, Moldavie... izany rehetra izany dia notetezin'i Jean avokoa mba hitoriana ny Vaovao Mahafaly. Nampahomby ny fandresena tamin'ireo ady ho an'ny Tany Masina izy, ary nankasitraka sy nanome valisoa azy ireo papa nifandimby. Rehefa vizaky ny taona sy ny aretina nitaiza azy i Jean de Capistran dia nodimandry tao Ilok tao aorian'ny nandraisany ny sakramenta farany tamin-dranomaso. Nitsotra tamin'ny tany izy tamin'izany ary natory am-piadanana ny 23 ôktôbra 1456 teo amin'ny faha iraika amby fitopolo taonany.

Nalevina tao Ilok ihany i Jean de Capistran, ary maro ny olona tonga manaja sy mangataka vavaka aminy no nahazo fanasitranana sy fahasoavana. Na dia maro aza ireo fahagagana sy fahasoavana azo tamin'ny alalan'ny vavaka nataon'i Jean de Capistran dia tamin'ny taona 1662 vao nanomboka ny fanadihadiana momba ny hatsaram-panahiny sy ny fiainany ka ny 16 ôktôbra 1690 ny papa Alexandre VII no nanandratra azy ho olomasina. Ny papa Benoît XIII no naneho no horonan-taratasy ho fanta-bahoaka ny fanandratana azy ho olomasina ny taona 1724. Ny papa Léon XIII kosa no nanely ho an'ny Fiangonana eran-tany ny fombam-pivavahana amin'ny andro fahatsiarovana an'i Masindahy Jean de Capistran.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...