09 jolay — Teraka tao amin’ny faritanin’i Sichuan tao Chine i Augustin Zhao Rong, mpanompo sampy ny fianakaviany. Nilatsaka ho miaramila izy teo amin’ny faha-20 taonany ka ny 1857 dia izy no nitondra ireo gadra kristianina nakany Pékin ary anisan’izany gadra izany moa i mompera Gabriel-Taurin Dufresse.

Rehefa niverina tany Sichuan izy dia nahita ny fanenjehana kristianina indray. Tao amin’ireo voafonja ireo no nahita an’i Zhao Rong an’i mompera Martin Moa izay nanintona sy nanaitra azy ny fitiava-namana, ny vavaka, ary ny fampianaraka katesizy nataony. Marihana moa i mompera Martin io dia efa nasandratra ho olotsambatra tamin’ny taona 1954. Vao tafavoaka ny fonja io pretra dia lasa nanaraka azy i Zhao Rong, io izany no nanao batemy azy tamin’ny fotoana fankalazana an’i Masindahy Augustin.

30 taona i Augustin tamin’izay, ary ny 5 taona tao aorian’io dia tohin’ny fiofanana pretra ho azy. Pretra sinoa iray no nampiofana azy ary nangataka azy tamin’ny Monseigneur Pottier, Vicaire apostolique, ka io no nanamasina ho pretra an’i Augustin Zhao Rong teo amin’ny faha-35 taonany. Tamim-paharetana sy am-pandrindrana no niaretan’i Augustin ny asany. Nanamarika izany ny risi-po sy ny fahaizany. Nalefan’i Monseigneur Pottier namita iraka sarotra tany Yunnan izy, ary nandritra ny fanenjehana nataon’ny amperora dia tratra nitondra sakramenta ho an’ny marary izy. Nentina tany amin’ny renivohitry ny tanana izy, nampiajaliana mafy mba handa ny finoany. Nokapohina in-60 tamin’ny bambou moa ny kitro keliny, nofetahana tamin’ny hoditra in-80 koa izy, maty tany am-ponja andro vitsy tao aorian’izay Augustin Zhao Rong ny 27 janoary 1815.

Augustin Zhao Rong no pretra sinoa maty martiry voalohany, ary izay no mahatonga ny anarany hisoratra voalohany amin’ny anaran’ireo martiry 120 tao Chine nasandratra ho olomasina tamin’ny 01 ôktôbra 2000. Ny martiry voalohany tao Chine dia pretra dominikanina espagnol iray izay antsoina hoe Francesco Fernández de Capillas maty tamin’ny taona 1648.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...