♦ Mandray ny maha Arsevekan'i Fianarantsoa azy i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona herintaona aty aorian'ny naha Arseveka Coadjuteur an'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa azy. Neken'ny Papa Léon-XIV ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, hitsahatra... ♦ Seminarista sy skôlastika miisa 157 no notokanana ho mpamaky teny sy mpanotrona teny amin'ny seminera zokiny fandalinana teôlôjia Faliarivo eny Ambanidia. Nitarika ny Sorona Masina ny Evekan' i Miarinarivo Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Hiatrika ny fifaninana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny tetik'asa miisa 3 nivoaka nandresy tamin'ny POESAM teto Madagasikara...

♦ Nampidirina am-ponja ireo mpiasan'ny fandraharahana ny fonja miisa 3, isan' ireo voasaringotra tamin'ilay raharaha fivoahan'ny voafonja sinoa 11 teny amin'ny fonjan'Avaradrano... ♦ Hiditra amin'ny dingana faharoa ilay fakan-kevitra momba ny fifidianana notarihin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika teny Iavoloha, antsoina hiady hevitra sy hamoaka tsoan-kevitra ireo vondrona sy fikambanana miisa 593 nandray anjara tamin'ny dingana voalohany hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Hisy hetsika fanentanana sy tetik'asa filamatra hitantanana ny rano ao anatin'ny tetik'asa PIAA-II ka fokontany  miisa 52 no hanaovana izany...

♦ Nahazo fitaovana momba ny informatique mitentim-bidy 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny maso ivohon'i Japon ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI)... ♦ Olana ara-teknika amina milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC1 sy TAC-3, Jirama Ambohimanambola no nahatonga ny fahatapahan-jiro nifandimby naharitra ora maro tato amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo hatramin'ny omaly tolak'andro... ♦ Pôlisy manakaiky ny vahoaka no hasongadina mandritra ilay kermesy fankalazana ny faha-65 taona ny pôlisim-pirenena eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy, hitohy hatramin'ny alahady 25 oktobra 2026...

• Nahazo fitaovana informatika mitentina 3.230.000.000 Ariary, avy amin'ny Masoivohon'i Japon amin'ny alalan'ny fandaharana RPMD, ny CENI… • Misy fiampangana tsy voaporofo ho an'ny mpiasan'ny fadintseranana sasany, izay manaratsy endrika ny Douane, sy mampihena ny fahatokisan'ny vahoaka azy, raha araka ny nambaran'ny sendikan'ny Inspecteurs an'ny fadintseranana SIDM… • Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin'ny TAC 1 sy TAC 3, JIRAMA Ambohimanambola. Tsy azo ihodivirana noho izany ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimy…

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...