♦ Nambaran'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël fa noho ny fisian'ny hasoparana ataon'ny olombelona no mahatonga ny herinaratra tsy ho ampy eto Madagasikara. Manao ezaka tsy mitsahatra ny Fanjakàna sy ny JIRAMA... ♦ Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivoho vaovaon'i Frantsa hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Andriamatoa Jean Marc Grosgurin... ♦ Anton'ny fahamaroan'ny fanjifàna sy teknika no mahatonga ny internet ho miisatra sy ratsy kalitao hoy ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, efa nisy ny dingana tamin'ny fampidinana ny sarany...

♦ Hamaha olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina ny fahavitan'ny tetik'asa Volobe-Amont. Vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba azy io, izay hamokatra herinaratra 120 Mw isan'andro... ♦ Nahazo fitaovana ahafahana mampihatra ny digitalisation ao aminy ny Antenimieram-pirenena. Tablettes 169 isa miampy solosaina 20 isa no natolotry ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny haitao arakajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra... ♦ Manao antso avo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ireo tanora tafiditra ho mpiasam-panjakàna ao amin'ny Ministeran'ny fampianarana teknika... 

♦ Vita sonia, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny tetik'asa "Volobe Amont"... ♦ Mikatsaka fahaleovantena amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ireo ben'ny tanàna mivondrona ao amin'ny FBF... ♦ Nivaha amin'ny ampahany ny olan'ireo tanora efa noraisina ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika... ♦ Niteny an'ny vahoaka afrikanina tatsimo ary naneho alahelo manoloana ny firongatry ny famonoana sy ny herisetra atao amin'ny vehivavy any an-toerana, ny filoha Cyril Ramaphosa...

♦ Vonona ny hanohana an'i Madagasikara amin'ny fampandrosoana ny lafiny angovo, rano, ny sehatra tsy miankina, ny fambolena sy ny famoronana asa ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nankatoavina nandritry ny filan-kevitry ny Minisitra omaly ny fananganana ny kaomisaria ambony ho an'ny tanora misahana ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena sy ny ady amin'ny kolikoly, teo koa ny fananganana masoivoho Malagasy any amin'ny repoblika Arabon'i Ejipta... ♦ Marihina anio 30 septambra ny ivon'ny fankalazana ny faha-65 taona nijoroan'ny pôlisim-pirenena, "polisim-pirenena hiaro sy hanampy ny vahoaka" ny teny filamatra amin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...