Ny faha-10 oktobra no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalaman'ny saina dia singa fototra ary andry mamaritra ny atao hoe fahasalamana. Ny olona salama saina dia ireo afaka amatrahana andraikitra ary afaka mampiasa ny talentany, ny fahaiza-manaony, ary rehefa afaka mihatrika ny olany andavanandro, eo ihany koa ireo ny fahafahana miasa ka ahazoana vokatra, ary farany ny fahaizany mandray anjara amin'ny fiaraha-monina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny aretina mpahazo ny tenda dia aretina misy mandavan-taona, ary mety hahazo ny olona rehetra. Ny Aretin-tenda dia misy karazany maro: mety ho vokatry ny olana mahazo ilay kambon-tenda, amygdalite, pharyngite, laryngite... Ny anton'ny aretina dia fisian'ny tsimok'aretina na otrik'aretina manafika ny tenda, tsy fahazakana hatsiaka, tsy fahazakana sakafo sasatsasany. Ny tenda dia manomboka ao amin'ny ati-vava ka isan'izany ny kambon-tenda izay taova mpamorina hery fiarovana ho an'ny olombelona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...