Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny faha-10 oktobra no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalaman'ny saina dia singa fototra ary andry mamaritra ny atao hoe fahasalamana. Ny olona salama saina dia ireo afaka amatrahana andraikitra ary afaka mampiasa ny talentany, ny fahaiza-manaony, ary rehefa afaka mihatrika ny olany andavanandro, eo ihany koa ireo ny fahafahana miasa ka ahazoana vokatra, ary farany ny fahaizany mandray anjara amin'ny fiaraha-monina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy inihan'ny zaza na olona iray ny handitsaka am-pandriana. Ny teny mahery atao amin'ny zaza, ankizy na olon-dehibe izay manditsaka am-pandriana dia herisetra, ny tsara indrindra dia ny mamantatra ny mety ho anton'ilay tranga. Ny zaza mbola minono dia in-droa ambiny folo no mivalan-drano (pipi), tokony hisolo taty matetika ny zaza. Manomboka amin'ny faharoa taonan'ny zaza no tokony efa zarina hivalan-drano amin'ny toerana tokony hanaovana azy ny zaza. Ny mety ho antony : tsy fahazarana, fahataran'ny baiko ao amin'ny atidoha, tsy misy fahatsapana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco