Ny hoe "Rasavôlagna" dia misy heviny roa ka ny voalohany dia midika "veloma" ary ny faharoa kosa dia mifanandrify amin'ny lahabolana, azo takarina amin'ny hoe "lahateny". Ny lehilahy matetika no manao ny "Rasavôlagna" kanefa tsy voatery ho izay arakaraka ny zava-misy. Ny fitondrana teny ao anatin'ny Rasavôlagna dia tsy iadivana, ny fehezan-teny, nataon'ny mpandray fitenana averin'ny mpamaly isaky ny handray fitenana dia fanehoana fa mahay mifampihaino ny roa tonta ary mifanaja. Ny toaka ifampizarana amin'ny fotoana hisian'ny fomba sy ny Rasavôlana fanolorana dia toaka vokatry ny tany...

Ny Rasavôlagna dia lahabolana malagasy sy mbola misy mpanao tsara amin'ny fiainana andavanandro. Ny Rasavôlagna dia ny lehilahy amin'ny ankapobeny no tena mpanao azy, lahabolana any amin'ny Betsimisaraka sy ny Sihanaka. Ny Rasavôlagna dia misy karazany toy ny hoe: Rasavôlagna handeha, Rasavôlagna fanolorana, Rasavôlan-dratsy, Rasavôlagna antsabora, Rasavôlagna fisaorana... Ny Rasavôlagna dia toa maivana sy tsy zarizary raha toa ka tsy misy toaka; voninahitry ny toaka mantsy ny Rasavôlagna.

Ny Manisotra dia vondron'olona nosokajiana ho mpiantafika sy mpiady tamin'ny andro nanjakan'Andriamasinavalona. 30 lahy no niatombohan'ny Manisotra, izay voairaka haka ny tanànan'Ambohimasina, izay niova ho Ambohijoky rehefa azon'ireo iraka. Taranaka vazimba, taranaka Zanamahazomby izy ireo, olona matanjaka sy mahay miady ary lian-dra, lehilahy manidina sy mahery, maranin-tsaina ihany koa ireo Manisotra. Maro ny faritra sy ny tanàna no nanirahana ireto Manisotra ireto mba hakana fanjakana ka isan'izany ny tao Fenoairivo, Ambatodrazaka ary Tsienimparihy...

Ny Marofotsy dia anaran-toerana ary nonenan'ireo foko "Marofotsy". Foko iray ankoatra ireo foko maro efa hain'ny maro. Taloha dia Ambaniandrefana no anaran'ny toerana voalaza etsy aloha ; ireo olona na foko "Marofotsy" kosa dia "Maromainty" no niantsona aza fa rehefa nifanitsaka tamin'ny anaran'ireo omby maro tao Ambaniandrefana dia novàna ho "Marofotsy" mba hiavahan'ny olona sy ny biby. Olona avy amin'ny faritra samihafa nandositra fanandevozana sy famorentana ara-dalàna. I Marofotsy dia eo afovoan'ny Faritr'i Boina, Faritr'Imerina, Faritra Sihanaka ary Faritra Tsimihety...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 31 jolay 2026

• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...