• Ny pôezia dia laharana fahadimy, milahatra amin'ireo zava-kanto fito : Marin-trano, asa sokitra, hosodoko, mozika, pôezia, zava-kanto an-tsehatra, sary mihetsika. Ny pôezia dia tsy lahabolana avy eto Madagasikara fa avy any ivelany izay nifanindran-dalana tamin'ny fidiran'ny ABD latinina teto amin'ny nosy. Ny pôezia dia asa-soratra vita amin'ny teny narindra sy milanto, misy rima... Ireo tonon-kira maintimolaly no manamarika ny fisian'ny Pôezia teto Madagasikara...

  • Rehefa vita ny fanabeazana amin'ny dingan'ny sekoly amorom-patana, izay fanabeazana ny zaza sy ny ankizy dia ny sekoly amorom-pahatra indray no entina hanabeazana ireo tanora ary ny lehilahy no volavolaina ao, ny ray sy ny raibe no miandraikitra ny fampianarana. Misy sekoly manokana ho an'ireo vehivavy sy ny tanora hiroso amin'ny fiainam-pitiavana sy fianakaviana dia ny sekolin'ny tsiambaratelo ; araka izany dia olona roa ka ny beazina sy ny mpanabe no miatrika ny fampianarana eto, raha vavy ny Beazina dia ny reny na ny renibe no miandraikitra azy, raha lahy dia ny rainy na ny raibeny.

  • Ny sekoly dia avy amin'ny teny anglisy "shool" izay toerana iray voafaritra anaty fefy na rindrina ; tamin'ny andro nanjakan'ny Mpanjaka Radama-I no nisian'ny fampianarana amin'ny endriny ankehitriny, nisy teratany frantsay iray nantsoina hoe " Mr Robin" mpampianatra nampianatra voalohany vehivavy vitsivitsy tao an-drova. Ny sekoly amorom-patana dia niantsorohan'ireo Renibe sy reny ho an'ny sokajin'ankizy sy zaza, ireo notovozina teo amorom-patana dia nosedraina sy nohadinina teny an-kianja rehefa vanim-potoana ny diavolana.

Aorian'ny isa am-polony voalohany dia tsy misongadina firy ny isa fa ny tanisa no mibahan-toerana. Ny fanoharana ny mety ho toeratry ny biby iray sy ny fomba fiainany no narafitra ho tanisa sy nakàna lesona. Aorian'ny  bodokely matavy ny toho, dia ireto no tohiny : Kely matsilo loha ny patsa ; ny vano no lava tenda maditra olom-pehezina ; ny fangaraka no kely andilana ny isan-jato no mafy ; ny takatra no fisa-doha matory amorom-paria ; ny soroitra no kely fingo sendran'ny tao-miodivitra, ny goaika no fotsy tenda mangala-boanjo ririnina...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...