Sabotsy 03 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 17-24 — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

0 : 00

Ry kristianina havana, nitatitra ny asa vitany tamin'ny nanirahan'i Kristy azy ny mpianatra roa amby fitopolo lahy. Angatahana amintsika isan'andro izany na matetika, manao jery todika ny fiainana. Ny fahefana voalohany nomen'i Jesoa ny mpianany eo am-panirahana azy ireo, ny fahefana handroaka demony. Io faharesen'ny demony, noho ny Anaran'i Jesoa io, no tatitra voalohany nataon'izy ireo tamin-kafaliana. Resy ny demony, dikan'izany, manomboka eo ny fanjakan'Andriamanitra. Afaka miaina an-kalalahana ny zanak'Andriamanitra, kanefa tsy maintsy miambina lalandava fa mitady hirika foana ny demony handavoana antsika, ary atodik'i Jesoa any amin'izay lanitra itodihantsika izay ny hafalian'ny mpianatra.

Ankilan'izay, nientan-kafaliana koa i Jesoa, nisaotra an'Andriamanitra Ray noho ny nifidianany ny madinika, hanambarana ny sitrapony, izany hoe, ho an'i Jesoa, ho an'Andriamanitra, tsy izay mahay akory no masina ; tsy saina na fahaizana, fa fo sy fitiavana no miteraka sy iainana ny finoana. Aoka koa hientan-kafaliana amin'ny Fanahy Masina isan'andro isika, hisaotra ny Ray noho ny fitiavany, noho ny fanomezany. Ary aoka hampitony ny hambo sy hampandefitra ny saina be, fa hanokatra ny fo mba hanjakan'Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...