♦ Samy nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy Ramatoa Sahondrarimalala Marie Michèle, taorian'ny fiakaran'izy ireo fampanoavana omaly hariva... ♦ Tapitra ny 18 janoary teo ny fe-potoan-kiasan'ireo Loholona ary tsy misy fanalavana izany, araka ny fampahafantarana avy amin'ny HCC omaly. Manohy ny fitantanan-draharaha ny filoha mpisolo toerana sy ny kestora... ♦ Manome herinandro ireo tokantrano nampiditra jiro tsy ara-dalàna mba hanala izany an-tsitrapo ny tale jeneraly mpisolo toeran'ny JIRAMA. Hatomboka tsy ho ela hoy izy ny "opération" hiadiana amin'ny tsy ara-dalàna...
• Misy ny fampitandremana avy amin'ny APIPA amin'ny ho fiakaran'ny rano eto amin'ny lemak'Antananarivo, izay lalovan'ny renirano Sisaony... • Hitohy any amin'ny faritra avy hatrany ny hetsika, Dinika ho fanaingana ny toekarena, izay nosokafana androany tetsy amin'ny CCI Ivato... • Tena zava-dehibe ny fihainoana sy ny dinika iarahana amin'ny sekoly tsy miankina, manoloana ny famaritana ny tetiandrom-pampianarana, hoy i Mompera Jules Ranaivoson...
♦ Niantso ny fitondram-panjakàna hijery tsara ny momba ireo fifanarahana atao miaraka amin'ireo firenena hafa avy any ivelany ny vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana (Justice et paix) eto Madagasikara... ♦ Ampy ny famokara herinaratra sy rano eo anivon'ny Orinasa JIRAMA amin'izao fa ny fitsinjaràna no misy olana hoy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, Tale Jeneralin'ny orinasa, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Mandroseza ny faran'ny herinandro teo... ♦ Andrasana ny fivoahan'ny tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao rehefa niteraka resabe ny tetiandro nanemotra ireo fanadinana ho amin'ny volana jolay navoakan'ny Ministera...
♦ Aoka tsy ho diso ady hatrehana ny tsirairay hoy ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana (Justice et Paix) eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny hanankinana amin'ny FFKM ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena ny filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... ♦ I Sénégal no nibata ny amboara ho an'ny lalao Afrikanina (CAN) 2025. Nifarana hatreo ny lalao fifaninana CHampionnat d'Afrique des Nations (CHAN) ary nosoloina ho Ligue des Nations Africaines...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco