• Ifampitadiavan'ny mpanjifa ny toby mpaninjara solika mivarotra lasantsy sy gasoil eto an-drenivohitra. Misedra olana ny mpitatitra. Efa tokony nosorohana mialoha izao tranga izao, hoy ny PMH... • Fotoana hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana eny anivon'ny kaominina izao, hoy ny KMF-CNOE, hisorohana ny olana mitranga tao aorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana... • Tanterahana eto an-drenivohitra ny fihaonam-ben'ny firaisamonim-pirenena andiany faharoa. Mpikambana maherin'ny 200 manerana ny nosy no manatrika izany hatramin'ny rahampitso...

• Manomboka tsy ahitana solika intsony ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo, raha filaharam-be ny eny amin'ireo mbola manana tahiry. Ahiana hitarika any amin'ny fivarotana solika mitapoka izao olana izao, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... • Nomelohin'ny Fitsarana higadra 20 taona an-tranomaizaina, sazy mihatra, ny Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy. Nivoaka androany ny didim-pitsarana mihatra amin'ity manam-boninahitra eo anivon'ny tafika ity, izay tsy hita ny misy azy hatramin'izao... • Kasaina hovana ny lalana ahafahana manenjika ireo Solombavam-bahoaka, izay manana “immunité parlementaire”. Tsy maintsy hisy ny fanovana lalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota, hoy ny Filohan'ny CSI teny Tsimbazaza androany...

♦ Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana ara-panjakàna BEPC izay nifarana androany... ♦ Ny fanadihadiana momba ny zava-misy any Ikongo... ♦ Ny tanànan'Antananarivo no hampiantrano ny fivoriambe fanao isan-taonan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin'ny ranomasimbe Indiana (A.V.COI)... ♦ Manohy hatrany ny teny fanentanana nataon'i Papa François momba ny fiarovana ny Tranobe Iombonana, ny hafatr'i Papa Léon faha-XIV, ho an'ny fanamarihana ny andro eran-tany faha-10 hivavahana ho fiarovana ny voaary...

♦ Olana mbola mitoetra ny tsy fahampian'ny solika eto Antananarivo, ny fahatapahan-jiro mifandimby izay maharitra ora telo... ♦ Nahafaly ny vahoaka tao Ambodinonoka ny fanomezan'ny filan-kevi-panjakàna rariny ny Ben'ny tanàna Marthino Solonirina Zou. Nampiaka-peo kosa ny solotenan'ny Kandidà avy any Bekopaka satria nesorina ny Ben'ny tanàna any an-toerana... ♦ Dinihina mandritra ilay atrik'asa omen'ny FIPOL sy OLEP eny Ambatobe ny onitra vokatry ny loto an-dranomasina... ♦ Tsy nahafaly ireo Japôney ny fanambaran'i Donald Trump izay nanao fampitahana ary nampitovy ny daroka baomba nokleary tamin'ny taona 1945 ny daroka baomba farany teo tany Iran...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...