• Nosokafana androany tamin'ny fomba ofisialy ny faha-135 taonan'ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana. Hopitaly voalohany teto Madagasikara izay ny Mpanjaka Ranavalona III no nitokana azy ny 13 aogositra 1891... • Efa tafajoro daholo ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana any amin'ny Fokontany rehetra miisa 326 ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nanolotro fitaovaona ho azy ireo, ho an'ny Fokontany lavitra androany, ny Faritra Analamanga... • Nanatitra fitoriana teny amin'ny HCC, hitakina ny handravana ny Antenimieram-pirenena, ny antoko Kintana sy ny avy amin'ny vondrona RMDM...

• Vata mpanova herinaratra miisa 36 no hosoloina sy hatsaraina mba hiakatra ny tanjany, ho an'ny famatsiana jiro ato amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hofidina ho filoha vaovao hitantana ny ASIEF. Hotanterahina rahampitso alakamisy 20 aogositra 2026, ny fifidianana... • Misy ny lamina napetraka tsy maintsy arahina amin'ny fampiasana ny reniranon'i Belo Tsiribihina, hisorohana ny loza mety hitranga, mandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fitampo 2026, hoy ny avy amin'ny APMF...

• Vonona hanampy an'i Madagasikara hiverina anatin'ny rafitra ara-dalana, mizotra mankany amin'ny fifidianana, ny vondrona SADC, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika... • Mitentina 20 tapitrisa Ariary ireo entana lany daty, tsy manaraka ny fenitra, saron'ny mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana, tany amin'ny Distrikan'i Tsaratanana sy Fenoarivo Antsinanana... • Nanome fe-potoana 48 ora ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, handray sy hifampidinika aminy, ny vondron'ireo sendika nanao sonia fifanarahana teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

• Mankasitraka ny hetsika fampihavanana nosantarin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Filohan'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, tany Ambovombe Androy, ny ankamaroan'ny mpanao politika... • Hiroso hanamafy ny fihavanana koa ireo foko valo ao Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Hetsika hotanterahana ny zoma 21 aogositra 2026... • Mila arindra, hanosika ny fampandrosoana ny fiharian-karena ny firafitry ny hetra eto Madagasikara. Manakana ny orinasa tsy handroso ny hetra misy eto amintsika, hoy ny Profesora Hugues Rajaonson...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...