♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...
♦ Tsy tanteraka ny hetsika nokasain'ny mpanohana ny TIM sy ny vovonana Firaisankina natao teny amin'ny Magro Behoririka omaly. Fitrotroana am-bavaka ny firotsahan'ny kandidà Ravalomanana sy ny mpanolotsaina iray lisitra aminy nosakanan'ny mpitandro filaminana noho ny tsy fahazoana alalana... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakàna ary ny mpiasa misotro ronono eny amin'ny kianjan'Antsahamanitra ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy (KIM) amin'ny sabotsy izao... ♦ Hiakatra kianja any Tonizia indray ny Barean'i Madagasikara anio hifanandrina amin'ny ekipam-pirenena Toniziana. Andro voalohany amin'ny fifanitsanana isam-bondrona handraisana anjara amin'ny CAN 2025...
♦ Tsy tanteraka ny hetsika fotoam-bavaka sy fitsofan-drano ny kandidà Ben'ny Tanànana sy Mpanolotsaina avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara, izay nokasaina natao teny amin'ny Magro Behoririka androany... ♦ Hamory ny sendikan'ny mpiasa ny KIM Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, ny sabotsy 7 septambra 2024, eny amin'ny Kianjan'Antsahamanitra... ♦ Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara ny seha-pihariana lohamenaka. Antony namolavolana ny tetikasa ARCHE, izay nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany teny Ankorondrano...
♦ Mbola mitaky hatrany ny hisian'ny mangarahara amin'ny vola ampiasaina amin'ny fifidianana ny antoko Humaniste Ecologiste. Antoka iray hamantarana sy hifidianan'ny olom-pirenena ny foto-kevitra izany hoy Andriamatoa Toavina Ralambomahay... ♦ Miatrika ny JMJ Diôsezy, andiany faharoa, nanomboka androany hatramin'ny alahady ho avy izao ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangàna. Mandray izany ny ao Farafangàna renivohitry ny Diôsezy... ♦ Noafahan'ny fitsaraàna noho ny fisalasalàna ilay olona ambara fa jiolahy nitifitra ilay mpamily fiara karetsaka teny Ankadindratombo, kaominina Alasora ka nahafaty azy ny 26 jolay 2023. Nivoaka omaly teny Anosy ny didim-pitsarana momba iny raharaha iny...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco