♦ Vita ny fandikan-teny vaovao ny Baikoly Masina Katôlika. Natolotra sy nampahafantarina omaly teny Antanimena izany Baiboly vaovao izany, izay niavaka tamin'ny natonta hatramin'izay... ♦ Hanangona porofo fiampangàna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga ny Fanjakàna Malagasy, manoloana ny raharaha hanenjehana azy atsy Maorisy. Nanazava ny momba izay ny ministry ny fitsaràna ny sabotsy  teo... ♦ Mpandraharaha teratany vahiny roa no voasambotra niaraka tamina vola 2 miliara Ariary, saika entina hanongànana sy hamonoana ny filoham-panjakàna. Naharitra ora 12 ny fisavàna, nahatrarana ireo olona sy volabe ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...