♦ Efa nampidirina ao amin'ny teti-bolam-panjakàna lasitra 2026 (LI-2026) ny hetahetan'ny vahoakaa sy ny sehatra tsy miankina, mifanaraka amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanavaozana ny Repoblika... ♦ Hiverina amin'ny laoniny ny fampianarana amin'ireo sekolim-panjakàna manomboka amin'ny alatsinainy 10 novambra 2025 izao ary tsy maintsy ho vita ara-potoana ny fandaharam-pianarana... ♦ Ezahina hampidirina anatin'izao fivoriana ara-potoan'ny antenimiera izao ny volavolan-dalàna momba ny fisitrahana zo hahazo antontam-baovao sy vaovao eny anivon'ireo sampandraharaham-panjakàna...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...