♦ Mpiadina maherin'ny roa hetsy no niadina ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy, nanomboka androany. Milaza ny efa miomana ara-tsaina ireo mpiadina sendranay tao an-drenivohitra, mitaintaina noho ny resaka “fuite de sujet”... ♦ Milaza ny hampiato ny fitaomana ny fako androany, ireo mpiasan'ny SMA, mitaky ny handoavana ny karamany volana jona... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fanotorana tany ao an-drenivohitra amin'izao, na dia miato aza izany. Nametra-panontaniana amin'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo, ireo mpanolotsain'ny tanàna, androany...
♦ Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fanombohana ny fanadinam-panjakàna bakalôrea raha ny akon'ny vaovao voaray avy any amin'ny Faritra ny tapak'andro maraina teo... ♦ Renim-pianakaviana iray sy ny sakaizany no namono nahafaty ny zanany vao roa taona monja tao amin'ny Fokontany Ambovobiriky any amin'ny Distrika Mampikony... ♦ Dimy volana teo izao no nihato ny famoahan'ny CENTRE IMMATRICULATEUR DE MADAGASCAR etsy Ambohidahy ny fahazoan-dalana hamily fiara "biométrique"... ♦ Tsara toerana handimby an'i Joe Biden no sady efa notendreny hisolo azy ho kandidàn'ny antoko Demôkraty ny filoha lefitra KAMALA Harris...
♦ Tanterahina eto amin'ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara manomboka anio ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny ary mifanindran-dalana amin'izany ihany koa ny andiany voalohany amin'ny bakalôrea teknika... ♦ Mbola lavitr'ezaka ny fampiharana sy ny fampanjakana ny demôkarasia ho antsika eto Madagasikara, niadian-kevitra teny amin'ny Arrupe Faravohitra io loha-hevitra io ny farany herin'nandro teo... ♦ Hitohy rahampitso 23 jolay ny fikirakirana ireo antotan-taratasy fangatahana hisitraka karatra matianina ho an'ny mpanao gazety andiany fahaefatra, niisa 243 ireo fangatahana voarain'ny kômity manoka... ♦ Nametra-pialana tsy ho kandidan'ny Demokraty amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Joe Biden...
♦ Mbola tsy ho ato ho ato ny hitsangànan'ny Governemanta vaovao. Mbola haka fotoana maharitra ny filoha sy ny praiministra handinika ireo izay hotendrena ministra, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Mpiadina maherin'ny 200.000 isa no hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea manomboka ny alatsinainy izao. Misy ny toromarika vitsivitsy ho an'ny mpiadina avy amin'ireo mpanabe... ♦ Mitaky ministra manana mari-pahaizana hitantana ny ministeran'ny fampianarana teknika ny sendikàn'ny mpiasan'ity ministera ity. Tsy eken'izy ireo ho an'izay ministra ho avy eo ny fitondràna mpiasa avy aminy... ♦ Olona +11 no namoy ny ainy omaly hariva tany Chine, vokatry ny firodananà tetezana lehibe iray...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco