♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...
• Nandray ny asa maha Filoham-panjakana azy, nanomboka androany 17 oktobra 2025, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Tontosa teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany, ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nadraisana ny fianianany amin'izany maha Filoha azy izany... • Nametra-pialana ny Governoran'ny Faritra Matsiatra Ambony, Lova Paupil Razfindrafito. Fametraham-pialana noho ny fiovan'ny fahefana sy ny rafitra vaovao, araka ny nambarany... • Nivoaka tamin'ny fahanginany ary nanao fanambarana ho an'ny vahoakan'Antananarivo Renivohitra androany, ny Ben'ny Tanana Harilala Ramanantsioa. Fanamby napetrany, hoy izy, ny fanadiovana sy ny fandaminana mba hisy fiantraikany mivantana ho an'ny mponina ny asa atao...
• Nandray ny asany amin'ny maha Filoham-panjakana nanomboka ny maraina teo ny Kolonely Randrianirina Michaël. Izy izay nanome toky fa hanavao ny Lalam-panorenana... • Nampita hafatra ho an'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny sehatra iraisam-pirenena ny Filohan'ny HCC Florent Rakotoarisoa. Fitiava-tanindrazana no nahatonga izao zava-misy izao, raha ny nambarany... • Efa manana drafi-pitantanana, paikadim-panarenana ary tetikasam-pampandrosoana ny firenena, ny SECES...
• Hanatanteraka ny fianianany eny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana, na ny HCC eny Ambohidahy, amin'ny maha Filoham-panjakana azy anio, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Nahemotra amin'ny alatsinainy izao indray ny fivoriana handinihan'ny Mpanolotsain'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kianjan'ny 13 mey. Nangingina ny teny amin'ny 13 mey omaly... • Mbola manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra avy amin'ny fikambanana, firaisamonim-pirenena sy sendika...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco