♦ Hahemotra amin'ny taona 2027 ny JMJ any Toamasina saika hotanterahana amin'ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara manoloana ny voina nateraky ny rivodoza Gezani... ♦ Nigadona an-tanindrazana ny delegasiôna malagasy notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tany Rosia. Fahombiazana ny dia natao tany araka ny fanazan'ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Mbola manamafy hatrany ny météo malagasy fa ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga anio. Hiseho any Tsaratanàna, Andilamena ary Amparafaravola izany rahampitso...
♦ Manahy amin'ny ho avin'ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny vovonan'ny fitantanana ny fampianarana amin'ny sehatra tsy miankina (DNP). Hijoro, tsy hilavo lefona manoloana ny zava-misy izy ireo raha nitafa tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hivadika ho Université Virtuelle ny CNTEMAD. Nosantarina, omaly, teny Anosy ny fidirana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra... ♦ Manomboka miverina ny famatsian-dranon'ny Jirama ao an-tampon-tanànan'i Toamasina hoy ny Ministry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana. Famatsiana rano tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gezani farany teo...
• Nihaona tamin'ny Filoha Rosiana Vladmir Poutine ny tolak'andro teo, ny Filoham-panjakana Michaël Randrianirina. Nifantohan'ny dinika ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta... • Tafakatra 62 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Gezani. Maherin'ny 420.000 ireo traboina amina Distrika 29, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC androany... • Natao famotorana lalina teny amin'ny PAC ilay raharaha fanodikondinam-bola 183 tapitrisa Ariary tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny Hopitaly Itaosy...
♦ Nahazo famatsiam-bola mitentina 1,5 tapitrisa Dôlara avy amin'ny Joint-SDG Fund hanohanana ny tetik'asa fanafainganana ny fampivoarana ny rafitra ara-tsakafo i Madagasikara... ♦ Tsy mazava ny rafitra hitondrana ny firenena ka mangataka fanazavana momba izany amin'ny fitondram-panjakàna ny fiaraha-monim-pirenena ROHY... ♦ Mpampiofana miisa 40 eo anivon'ny Federasiôna Malagasin'ny Baolina Lavalava no nahazo fiofanana iraisam-pirenena... ♦ Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny filohan'i Corée atsimo teo aloha, Yoon Suk Yeol, araka ny didy navoakan'ny Fitsaràna tao Seoul, androany...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco