♦ Voatonona ho isan'ireo mifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy. Olona 11 tamin'ireo 13 nentina teo anivon'ny Fampanoavana ary natolotra ny mpitsara mpanao famontorana koa no efa nampidirina am-ponja noho ity raharaha ity... ♦ Nahazo fe-potoana telo volana amboniny hahafahana mandoa hetra indray ireo mpisehatra amin'ny asa fitanterana. Manana hatramin'ny 30 jona izy ireo raha tokony efa nifarana ny 31 marsa teo izany... ♦ Fankalazana ny Paka : Miomana ireo mpitandro ny filaminana ao anatin'izao fety izao... ♦ Mbola samy miziriziry amin'ny heviny ary manohy ny fifanafihana Etazonia, Israely ary Iran...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...