• Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara, entina amintsika eto... • Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no hovoakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana, hoy ny Randrana Sendikaly... • Efa ofisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe fahavalon'ny Tanora Afrikana Mifandray, na ny Youth Connect Africa Summit, izay hotontosaina ny volana novambra 2025...

• Hiaro ny tombontsoan'i Lafrantsa eto Madagasikara no tena antony hahatongavan'Andriamatoa Macron eto amintsika, hoy ny mpitarika ny antoko Teza... • Hiakatra 47 % ny haba alain'ny fanjakana amin'ireo vokatra malagasy haondrana any Etazonia. Hiteraka fitotongan'ny fanondranan'i Madagasikara entana any ivelany io fepetra io, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Nivondrona ao anatin'ny “Triade Syndicale” ny sendika telo eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tsy azo ekena ny fitoriana ny mpitarika ny SISFIM, hoy ny sendikan'ny dokotera mpitsabo mpiasam-panjakana eto Madagasikara...

♦ Fotoana lehibe ampahafantarana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny filoham-panjakàna ao amin'ny COI afaka 3 herinandro hoy Andriamatoa Ramamonjisoa Régis... ♦ Manohana ny fampandehanana ny tetik'asa Fitrandrahana Fasi-Mainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ireo ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina miisa 4 iantefan'ny tetik'asa. Miandry ny fanombohan'ny asa izy ireo... ♦ Manohana ny tantsaha amin'ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Mbola mitohy ny fiofanana arahan'izy 24 mianadahy, mifaninana ho lasa mpandraharaha...

♦Dinihina mandritry ny 10 andro mahery ny momba ny FEC sy ny FRD, famatsiam-bolan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara. Mandalo eto Madagasikara ny iraky ny FMI tarihan'i Constant Lokeng Ngouana...  ♦ 2 avrily andro natokana ho an'ny zandary : Nomarihana tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo manamboninahitra nahavita be teo anivon'ny zandary saingy efa lasa nisotro ronono ny andro omaly... ♦ Mirona amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao hanaovana ny serasera ho an'ny fizahan-tany ny Ofisim-Pirenena ho an'ny Fizahan-tany na ny ONTM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...