• Notanterahana androany tany amini'reo diosezy manerana ny nosy ny CEPE Katolika. Tsara ny lamina sy ny fikarakarana. Nanome lanja ny fanadinana ny ray aman-drenin'ny mpiadina... • Miroso amin'ny ady amin'ny tohitry ny mikraoba amin'ny fanafody, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy. Miisa 5.400 ny olona maty vokatr'izany ho antsika eto Madagasikara... • Tafita tany amin'ny tampon'ny Everest ireo teratany Malagasy nihanika izany tendrombohitra avo indrindra eran-tany any Népal izany. Higadona an-tanindrazana amin'ny zoma tolakandro izao izy telo mianaka...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...