• Nahita marimaritra iraisana ny mpivarotra ao Analakely sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hiverina hivarotra ireo mpivarotra rahampitso, tao aorian'ny fifampiresahana tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo. Nidina an-dalambe nitady vahaolana maharitra moa izy ireo androany... • Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona ny Kolonely Fanampera. Hainga ny fizotran'ity raharaha ity. Natao avy hatrany androany ny fitsarana azy tao aorian'ny fiakarany fampanoavana... • Tanterahana eny Ivandry nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny fako sy ny fiharian-karena mitsingerina, aty amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Miisa 14 ireo firenena mandray anjara amin'izany...
♦ Manohy ny fitokonana indray ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely, nanomboka ny maraina teo. Mitangorona manoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanàna izy ireo, mitsipaka ny fandaminan'ny kaominina Antananarivo... ♦ Tokony hifona sy hiala tsiny amin'ny Malagasy ny filoha frantsay amin'ny fahatongavany eto Madagasikara, hoy Andriamatoa Tintin Ravonison, mpanaraka ny raharaham-pirenena... ♦ Feno 26 taona ny alahady 31 marsa teo ny Radio Haja any Antsirabe. Naharitra roa andro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Olona an-jatony no naratra, vokatry ny fipoahana tamin'ny toby fitehirizana entona fandrehitra tany Malaisia, 500metatra ny haavon'ny lelan'afo...
♦ Voafidy ho mpanolotsaina rezipônaly ho an'ny Afrika atsinanana sy atsimo ny lehiben'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, Mompera Innocent BIZIMANA... ♦ Nidina andalam-be indray ireo mpivarotra amoron-dalàna eny Analakely-. Nilanja sora-baventy izy ireo, tsy faly amin'ny tsy famelàna azy ireo intsony hivarotra, toy ny andavanandro, nanomboka omaly... ♦ Ny akon'ny fanamarihana ny faha-78 taonan'ny tolom-panafahana 29 marsa 1947 ny sabotsy teo. Teo ny teny Mausolé sy ny teny amin'ny tsangambaton'ny mahery fo eny Ambohijatovo...
• Hivoaka amin'ny 25 avrily 2025, raha tsy misy ny fiovana, ny didim-pitsarana momba ny fampiakarana ny raharaha nanamelohana ny mpitarika ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga sy ny Filohan'ny Seces Sampana Antananarivo, Profesora Sammy Grégoire... • Hisy tetikasa lehibe, hovatsian'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena vola, ao an-drenivohitra momba ny fanamboarana ny fantsona fanariana rano. Voakasik'izany ny toerana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dalana, ka antony tsy maintsy hamindrana azy ireo, hoy ny Ben'ny Tanana, Harilala Ramanantsoa... • Nanambara androany ny Ben'ny Tananan'Ambohidratrimo fa tsy nisy fisamborana sy fampidirana am-ponja azy. Tetika politika nataon'ny mpifaninana taminy resy tamin'ny fifidianana, hanilihana azy ireny, araka ny fanazavany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco