♦ Tontosaina mandritry ny 3 andro etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly. Lohahevitra amin'izany ny hoe : manome feo ny tanora, ho an'ny fanavaozana ny Firenena... ♦ Zo voafaritry ny lalàna notapahana tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra ny fisitrahana tamby ho an'ny fanofana trano (Indemnité de logement) ho an'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana hoy ny Ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Zazalahy kely 2 taona no maty tsy tra-drano teny Tsaramasay Ankorondrano androany maraina. Voahitsaky ny fiara tsy mataho-dalana...

♦ Tsy tokony hitarina ny fotoanan'ny tetezamita hoy ny filohan'ny antoko HVM. Tsy mahamaika hoy Andriamatoa Rivo Rakotovao ny firosoana amin'ny fifidianana filoham-pirenena... ♦ Mitohy androany ny fikaonandohan'ny tanora ho an'ny sehatra nasiônaly, tontosaina etsy amin'ny CCI Ivato hatramin'ny rehampitso. Mandray anjara amin'izany ny Federasiôna ivondronan'ireo Ampanjaka sy ray aman-dreny ara-drazana eto Madagasikara... ♦ Namono olona iray indray ny valan'aretina MPox ny talata lasa teo araka ny tarehimarika navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoakka omaly...

♦ Haravona mandritry ny 3 andro nanomboka omaly etsy amin'ny CCI Ivato ireo fehin-kevitra voahangona nandritry ny fikaonandohan'ny tanora tany amin'ny Faritra samihafa. Hatolotra ny fitondram-panjakàna sy ny FFKM izany rehefa vita... ♦ Namoaka tenimita amin'ny fomba fampiharana ny fandoavana ny tambin-karama momba ny trano fonenana ho an'ireo mpiasa eny anivon'ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... ♦ Foire Meva 2026 : Tontosaina ao Antsiranana mandritra ny 4 andro ny tsenabe ara-toekarena ho an'ny Faritra Diana...

♦ Fikaonan-doham-pirenen'ny tanora : Hanaovan'ireo solontena tatitra ny fakan-kevitra niainga teny anivon'ny Kaominina, Distrika ary Faritra, halototra ny fitondram-panjakàna amin'ny 1 aogositra izao ny fehi-kevitra tapaka... ♦ Tanterahina rahampitso alakamisy 30 jolay ny sidina voalohany famerenan-jotra eo amin'ny zotra an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara amin'ny Nosy Comores... ♦ 1,1% amin'ny vehivavy mitondra vohoka no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina VIH Sida eto Madagasikara, miova manaraka izany ny fepetra raisina hisorohana ny fiparitahan'ny aretina...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...