♦ Nampiaka-peony antoko pôlitika Madio momba ireo raharaha tranga-na kolikoly avo lenta nandefasan'izy ireo fitoriana tany amin'ny Bianco. Tsy mbola nivaly8 volana aty aoriana ny fitoriana napetraka... ♦ Nahena ho 5% ny hetra halaina amin'ny fanafarana gazy ampiasaina amin'ny fandrahoantsakafo eto Madagasikara, raha % teo aloha... ♦ Naverina nosokafana indray ny fanadihadiana momba ny namaizan'ny foiben'ny ONE eny Antaninarenina, taona iray taty aorian'ny nitrangàn'ny loza... 

♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Bakalôrea eto Antananarivo sy ny manodidina. Nilaza ny mpikarakara fa anio sisa no misy fizaràna taratasy fiantsoana... ♦ Nisy olona 04 matin'ny aretina coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 02 andro, tranga vaovao 47 no hita, raha ny tarehimarika navoakan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Hisokatra manomboka anio ny fotoam-pihotazana lavanila any amin'ny distrika Antalaha Sava. Manahy mafy ny hidinan'ny vidim-bokatra anefa ny tantsaha... 

♦ Ny akon'ny famaranana ny fivorian'ny parlemanta izay naharitra 2 volana... ♦ Misy mpiandry raharaha mizara ny taratasy fiantsoana amin'ny adina ara-panatanjahantena bakalorea izay hanomboka ny alatsinainy izao eny amin'ny  ôfisy misahana ny bakalôrea, ho an'ireo izay naharay. Voakasika izany ny eto Antananarivo renivohitra... ♦ Voarara tsy tafiditra any amin'ny firenena frantsay, sy ny nosy La Réunion, any Maorisy ny vokatra vokarin'ny orinasa Vaniala sy ny vondrona JCR... 

♦ Nafàna ny ady hevitra teo amin'ireo solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta omaly, efa tamin'ny 9 ora alina vao nifarana ny fivoriana tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Mamokatra ohabolana an-tsarimihetsika ny sampana Média Don Bosco. Fiaraha-miasa amin'ny UNESCO... ♦ Niakatra ny isan'ireo mararin'ny coronavirus ahitàna fahasoratana. 57 izany raha ny tatitra navoakan'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka omaly... 

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...