♦ Mandrahona hitokona ireo mpiasan'ny CTC eto Antananarivo. Manome 48 ora nanomboka omaly izy ireo, handoavana ny tambin-karama 3 volana tsy voaloa... ♦ Manaitra ny rehetra ny KMF/Cnoe fa mbola ao anatin'ny ady amin'ny Covid-19 isika. Tokony hifanaraka amin'ny kabary sy ny fepetra lazaina ny fandraisana andraikitra... ♦ Nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena ny fikambanana nasiônalin'ny tantsaha eto Madagasikara ho tohin'ny tsy faneken'izy ireo ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany...
♦ Nitrangàna lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona indray tany amin'ny Lalam-pirenena voalohany tany Miarinarivo omaly maraina : olona 4 no maty 7 naratra... ♦ Mbola mitohy ny fitokonan'ireo mpiasan'ny paositra malagasy. Milaza ny vonona hihaona amin'ny Ministra tompon'andraikitra izy ireo... ♦ Ho foanana tsikelikely ny fampiasàna mercure amin'ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara, noho ny voka-dratsy ara-pahasalamana sy tontolo iainana aterak'izany...
♦ Olona 04 maty ary 07 naratra mafy, androany, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimitarona-Miarinarivo... ♦ Niatrika fanadinana bakalôrea katôlika nanomboka androany ary haharitra efarana ireo sekoly katôlika avy amin'ny diôsezy 14... ♦ Naneho ny fahavononany hidinika saingy mbola nametraka fepetra ireo mpiasan'ny paositra malagasy izay mbola nanohy ny fitokonana androany...
♦ Mananontanona an'i Madagasikara ilay tsimok'aretina Coronavirus miova endrika miparitaka amin'ny firenena maro era-tany ka mbola mikatona aloha ny sisin-tany... ♦ Herin-taona mialohan'ny hifaranan'ny teti-pivoaran'ny fanabeazana na PSE dia 60% no vita tamin'ireo tokony notanterahana... ♦ Takian'ny RMDM any Toamasina ny hanavaozana ny lalàm-panorenana, izay nambaran'izy ireo fa fototry ny disadisa misy ankehitriny...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco