♦ Tsy mankasitraka ny fihetsika ataon'ny governora sasany amin'ireo solombavam-bahoaka lany tamin'ny tsy miankina ny dépioté Voninahitsy Jean Eugène... ♦ Valan'aretina Covid-19, ny faritra Matsiatra ambony no maro an'isa tamin'ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa teo, iray kosa no lavon'ny aretina izay tany amin'ny faritr'i Diana... ♦ Miaina krisy politika ny any Guatemala ankehitriny. 50 no maratra tsaboina any amin'ny hopitaly ho an'ireo mitaky ny fialàn'ny filoham-pirenena...
♦ Hiafara amin'ny fanagiazana ny taratasin'ny mpandraharaha ny tsy fampiasany ato amin'ny tsena anatiny, ny vola vahiny azony amin'ny alalan'ny fanondranana entana... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-15 ny RFC. Anjara birky entiny amin'ity andiany ity ny fiarovana ny tontolo iainana... ♦ Mampanahy ny hiverenan'ny fihanaky ny Coronavirus fanindroany any Brésil, hoy ny ministry ny fahasalamana bresiliana...
♦ Navoaka tamim-pomba ofisiay ny andiana mpianatra miisa 117, izay nahavita fianrana teny amin'ny UCM... ♦ Ho hamafisina ny fanentanana sy famongorana ny herisetra mianjady amin'ny ankizy ary hisitraka tohana ihany koa ireo fikambanana miahy ankizy... ♦ Manao tohivakana ny fametra-pialan'ireo ministra armeniana taorian'ny fifanaovan-tsonia ho fampitsaharana ny ady any Haut-karabakh...
♦ 20 novambra : Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny ankizy. Maro ny hetsika nanamarihana izany teo amintsika nataon'ny fikambanana sy ny sekoly samihafa... ♦ Kendrena hisondrotra 4,5% ny harinkarem-pirenena amin'ny taona ho avy, araka ny voarakitra ao amin'ny lalàna mihefy ny teti-bolam-panjakàna 2021... ♦ Efa mihatsara ankehitriny ny toe-pahasalaman'i Mgr Bassetti, evekan'i Pérouse sady filohan'ny fivondronamben'ny eveka Italiana, izay narary mafin'ny Covid-19...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco