♦ Mafampana ny fitakian'ny mpianatra eny amin'ireo Oniversite eto amintsika. Olana amin'ny fahataran'ny fisoratana anarana no mahatara ny vatsim-pianarana, hoy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa... ♦ Nampahafantarina androany ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, eo amin'ny rafitry ny famokarana ara-tsakafo. Tetik'asan'ny FAO, iaraha-manatanteraka amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...

♦ Solombavambahoaka am-perinasa, ministra teo aloha, miampy karana telo amin'izao no namoahana didy tsy fahafaha-mivoaka an'i Madagasikara. Samy voarohirohy amin'ny fanondranana harem-pirenena ireo... ♦ Mandrahona hitokona indray iseo Paramed eny anivon'ny Hôpitaly. TSy mbola naharay ny valin-kahasasarana avy amin'ny fanjakàna nandritra ny covid-19 tamin'ny taona 2020... ♦ Mitaky ny hampiharana ny fanalefahan-ketra ho azy ireo ny sendikàn'ny mpanao asa tanana, izay efa voafaritry ny lalàna, anefa mbola mijanona ho fampanantenana hatramin'izao... 

♦ Mandrisika ny Bianco sy ny PAC tsy hihemotra amin'ny fanadihadiana lalina amin'ilay raharaha famoahana volabe teo anivon'ny CNaPs ny SSM... ♦ Sesilany ny fitokonana eny anivon'ny Anjerimanontolo sasany eto Madagasikara, mitaky ny fandoavana vatsim-pianarana. Nitokona omaly ny mpianatry ny Oniversite Fianarantsoa sy Mahajanga... ♦ Nohafahan'ny fitsaràna ireo efatra mirahalahy nohampangaina ho namono ilay mpandraharaha indo-pakistanais Danil Radjan...

♦ Niakatra fitsarana androany ireo mpiasan'ny CNaPS sivy mianadahy voaenjika ho namoaka vaovao momba ny fanodikodinam-bola teo anivon'ny CNaPS. Hivoaka amin'ny 28 marsa ny didim-pitsarana... ♦ Tsy tana ihany koa fa nanao hetsi-pitakiana androany, ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy Mahajanga, mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana... ♦ Miova isan-kerinandro kosa ny vidin'entana raha ny fanadihadiana natao tamin'ireo mpanjifa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...