♦ Tsy maintsy hisy ny fanaovana tatitra momba ny fitantanana ara-bola eny anivon'ny Antenimeram-pirenena, raha ny nambaran'ny Filohany, Christine Razanamahasoa, manoloana ny fitakian'ireo Solombavam-bahoaka sasany ny hisian'ny fitantanana magaraharahara eny anivon'ity andrim-panjakana ity... ♦ Mangataka ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina tamin'ireo krizy nifandimby teto Madagasikara, izay voafaritry ny lalana, ny fikambanan'ireo gadra politika na ny FEDEP, tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo androany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...