♦ Olon-tsotra 12 sy  mpitandro ny filaminana 4 no naratra omaly, vokatry ny hetsika nisy tany Taolagnaro. Polisy sy zandary 32 ihany koa no nataon'ireo mponina takalon'aina, manoloana ny raharaha misy eo amin'izy ireo sy ny orinasa QMM... ♦ Tsy maintsy hisy ny tatitra ara-bola eo anivon'ny Antenimeram-pirenena, hoy ny filohany omaly, manoloana ny fitakian'ireo solombavambahoaka sasany ny fitantanana ara-bola eo aniovn'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mitaky ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana ny fanonerana ireo niharam-boina, noho ny krizy politika teto Madagasikara ny Federasion'ny Gadra Politika. Ankasitrahan'izy ireo ny fisorohan'ny CFM amin'ny fanaovana Fampihavanam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...