♦ Tsy maintsy hisy ny fanaovana tatitra momba ny fitantanana ara-bola eny anivon'ny Antenimeram-pirenena, raha ny nambaran'ny Filohany, Christine Razanamahasoa, manoloana ny fitakian'ireo Solombavam-bahoaka sasany ny hisian'ny fitantanana magaraharahara eny anivon'ity andrim-panjakana ity... ♦ Mangataka ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina tamin'ireo krizy nifandimby teto Madagasikara, izay voafaritry ny lalana, ny fikambanan'ireo gadra politika na ny FEDEP, tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo androany...

♦ Tsy maintsy hihemotra avokoa na ny fanadinana na ny fidirana sy famaranana ny taom-pianarana ho an'ny fakiolte maromaro, eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Tsy ho voafehin'ny fitondrana ankehitriny ny olana ateraky ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, hoy ny Antoko Teza... ♦ Mbola tsy milamina tanteraka hatramin'izao ny disadisa misy eo amin'ny orinasa QMM sy ireo andian'ny mponina ao Tolagnaro...

♦ Nihemotra ny demokrasia teto Madagasikara, hoy ny HCDDED. Nahitana taratra izany, hoy ity Filankevitra ambony ity, ny fisian'ireo toe-draharaha politika niseho tato ho ato... ♦ Anatin'ny main-tany, no heverin'ny CENI hanatanterahana ilay fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Hanomboka ny volana oktobra izany, hoy ny Kaomisera nasionaly eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Hahisty ny drafitra hanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto amintsika. Misy androany sy rahampitso ny atrik'asa handinihana izany, etsy amin'ny CCI Ivato, karakarain'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena...

♦ Hamory ireo mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany ny Federasiôna FOM, handinihana ny olana iainan'izy ireo amin'izao fotoana izao... ♦ Hametraka taninketsa ara-indostria zato mahery manerana ny nosy ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Baolina kitra, hanomboka amin'ny sabotsy izao ny lalao fifanintsanana hiadiana ny Amboaran'i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...