♦ Mitady hevitra tsy hiakaran'ny vidin-tsolika intsony ny fitondram-panjakana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, androany tany Mandoto. Hampivory ny mpiasan'ny JIRAMA ihany koa izy amin'ny herinandro, ka tsy maintsy hojerena ny vahaolana fohy ezaka sy lavitrezaka mikasika ny JIRAMA... ♦ Tsy hanavahana antoko ny fampandrosoana an'i Madagasikara, fa miara-miasa amin'izay rehetra mitovy tanjona amin'izany ny Filoha Andry Rajoelina, ka novaliany avy hatrany androany, ny fangatahan'ny Solombavam-bahoakan'i Mandoto, izay avy amin'ny antoko TIM...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...