♦ Miverina tsikelikely ny sidina ho an'ny zotra anatiny sy iraisam-pirenena ho an'i Madagasikara taorian'ny fotoana nisokafan'ny sisin-tany... ♦ Hoampiasaina amin'ny fandoavana ny vola fisotroan-dronono sy ny karaman'ny mpiasam-panjakana ny karatra e-poketra. Ny mpiasan'ny paositra Malagasy no hisantatra izany ny volana jona izao... ♦ Nandalovan'ny andiam-balala ny tao Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Tsy nisy nefa ny voly simba noho ny fandraisan'andraikitry ny tantsaha niaro ny famboleny... ♦ Nandray ny andraikitra maha praiministra vaovao azy any Autralia androany Andriamatoa Anthony Albanese. Nihazo avy hatrany an'i Japon izy taorian'ny lanonana fihanianana nataony...
♦ Hatomboka amin'ny faran'ny volana jona na ny fiandohan'ny volana jolay izao ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy. Hatao tara ihany koa ny ampahan-dalana manomboka eo Ihosy amin'iny lalam-pirenena iny, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Ny eto amin'ny Faritra Analamanga no mbola ahitàna tranga vaovao maro indrindra mitondra ny tsimok'aretina Covid19 amin'ireo Faritra dimy ahitana izany. Miisa 38 ny tranga vaovao voatily tao anatin'ny herinandro... ♦ Manahy amin'ny mety hitotonganan'ny vidin'ny lavanila ny tantsaha mpamokatra ao amin'ny distrika Antalaha. Tsy sahin'ireo mpanangom-bokatra ny mividy ny vokatr'izy ireo amin'ny vidiny 75.000Ariary...
♦ Niala fitaintainana ireo mpanohana ny fitondràna taorian'ny nilazàn'ny BEI omaly fa hamatsy vola ny fanamboarana ny ampahany amin'ny RN13. Efa nampanantena ny tsy hanao politika intsony moa ny filoha, raha tsy vita mialohan'ny 2023 io lalana io... ♦ Tsy afaka misaraka ny finoana sy ny fitantanana ny firenena, na eo aza ny "laicité de l'Etat" hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nambaran-dRamatoa Christine Razanamahasoa fa tsy midika ho fitsabahan'ny fiangonana amin'ny fitantanana firenena ny fiaraha-miasa misy... ♦ Ho hentitra manomboka izao ny FMR amin'ireo izay mikarakara fifaninanana tsy nahazo alalana. Hiafara amin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana sy ny vadin-tany handrava lalao izany, hoy ny filohan'ny FMR...
♦ Olon-tsotra 12 sy mpitandro ny filaminana 4 no naratra omaly, vokatry ny hetsika nisy tany Taolagnaro. Polisy sy zandary 32 ihany koa no nataon'ireo mponina takalon'aina, manoloana ny raharaha misy eo amin'izy ireo sy ny orinasa QMM... ♦ Tsy maintsy hisy ny tatitra ara-bola eo anivon'ny Antenimeram-pirenena, hoy ny filohany omaly, manoloana ny fitakian'ireo solombavambahoaka sasany ny fitantanana ara-bola eo aniovn'ity andrim-panjakàna ity... ♦ Mitaky ny hanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana ny fanonerana ireo niharam-boina, noho ny krizy politika teto Madagasikara ny Federasion'ny Gadra Politika. Ankasitrahan'izy ireo ny fisorohan'ny CFM amin'ny fanaovana Fampihavanam-pirenena...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco