♦ Mila manova fanaovana politika ny fitondrana, mba tsy hifatratra any amin'ny filoham-pirenena amin'ny taona 2023 ny tsy fahombiazam-pitantanan'ny governemanta, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface. Tokony hosoloina ny Praiministra, raha ny hevitr'ity mpanao politika ity... ♦ Nankatoavin'ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana ny famatsiam-bola 20.000.000 Dôlara mahary ho an'i Madagasikara. Famatsiam-bola hampitomboana ny famokarana vary sy voamaina ary varim-bazaha hiatrehana ny fiantraikan'ny ady any Ukraine aty amintsika... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny harena an-kibon'ny tany ny fitrandrahana volamena any amin'ny kaominina Marikoro-Maevantanàna. Nogiazana ireo fitaovana, nitsoaka ireo teratany vahiny...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...