♦ Miakatra tsikelikely indray ny tahan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid19. Avo roa heny avy hatrany noho ny herinandro teo aloha ny tranga vaovao tamin'ny herinandro lasa... ♦ Nampanantsoin'ny eny anivon'ny Bianco hanaovana fanadihadiana anio alatsinainy Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha, sady mpandrindra nasionalin'ny antoko HVM... ♦ Efa somary milamindamina ny any amin'ny Faritra Betsiboka ankehitriny, raha nirongatra ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny teo aloha teo... ♦ Any Kénya, vokatry ny fiovaovan'ny toetrandro dia ny hain-tany misy any an-toerana, anarivony ireo ankizy ahiana tsy afaka hianatra intsony, fa voatery miala an-daharana...
♦ Tsy handefitra amin'ireo tompon'antoka tamin'ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri izay mpizara vaovao sy mpampaneno lakolosy amin'ireo mpanimba ny tontolo iainana tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fitondram-panjakàna... ♦ Miandrandra fihatsaràna sy fivahan'ny olan'ny fananan-tany misy amin'izao fotoana izao ny tantsaha nandray anjara tamin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany tetsy amin'ny CCI Ivato, izay nifarana omaly... ♦ Tokony ho saziana mafy ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny lavanila izay tsy manaraka ny vidiny farany ambany noferan'ny fanjakàna, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka voafidy tany Sambava...
♦ Paik'ady vaovao no hapetraky ny ftondrana hamerenana ny tanjaky ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fisokafana amin'ny firenena hafa toa an'i Inde, Eoropa Atsinanana ary Afrika... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana ankeriny niseho lany tato ho ato ny filohan'ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny Frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambarotonga fototra any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana raha ny fanadihadiana nataon'ny tetik'asa PASEC nanaovana tombana ny fanabeazana ny taona 2019...
♦ Hisokatra amin'ny firenena Indiana, Eoropeanina tatsinanana ary i Afrika, isika Malagasy amin'ny tontolon'ny fizahan-tany, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana, hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana an-keriny izay niseho lany tato ho ato, ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambaratonga fototra, any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco