♦ Paik'ady vaovao no hapetraky ny ftondrana hamerenana ny tanjaky ny fizahan-tany eto Madagasikara ny fisokafana amin'ny firenena hafa toa an'i Inde, Eoropa Atsinanana ary Afrika... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana hanafaingana ny fitadiavana izay tena marina ao ambadiky ny tranga fakana ankeriny niseho lany tato ho ato ny filohan'ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy... ♦ Tsy mahafehy ny teny Frantsay sy ny matematika ny ankamaroan'ny mpampianatra any amin'ny ambarotonga fototra any amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana raha ny fanadihadiana nataon'ny tetik'asa PASEC nanaovana tombana ny fanabeazana ny taona 2019...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...