♦ Maherin'ny roa alina ireo mpivahiny manerana an'i Madagasikara, nisoratra anarana ho any Antsirabe mandritra ny JMJ andiany faha-10, hotanterahana any an-toerana... ♦ Hanomboka amin'ny 3 ora folakandro eny Mahamasina anio, ny hetsika fanombohana ôfisialy ny Afrobasket ho an'ny latsaky ny 18 taona. Hiakatra kianja voalohany ao aorian'izay ny Ankoay, hifandona amin'ny ekipan'i Bénin... ♦ Tontosa omaly ny dinika savaranonando teo amin'ny solontenan'ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika...
♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...
♦ Mihatra nanomboka ny volana jolay teo ny saran'ny herinaratra vaovao ho an'ny indostria na ny TARIF OPTIMA BUSNESS. Hisy anefa ny sarany manokana hampiharina amin'ny sokajin'orinasa ara-indostria araka ny fanapahana nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Hampiroborobo ny voly kafe ao aminy indray ny ao amin'ny faritr'i Vatovavy manomboka izao. Voly isan'ny manana ny anjara toerany amin'ny toe-karena any amin'iny faritra iny... ♦ Manodidina ny 380 isa ireo olona voasambotry ny polisy tao Antananarivo renivohitra nandritra iny volana jolay teo iny. Miisa 05 ireo olona nanao halatra miaro herisetra miaraka amin'ny basy ka ny 04 isa maty voatifitra ary ny 01 azo sambo-belona...
♦ Tsy mety intsony hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la continuité" ny fifaniliana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no nampahatra ny vahoaka sy ny firenena. Tokony karohana aloha ny antony mampahatra ny malagasy vao miroso amin'ny fikaonandoha-pirenena... ♦ Nanahirana an'ireo mpampiasa fiara ny nahita Gazoil tato ho ato. Nanambara ny tale jeneralin'ny OMH fa mbola manana tahiry lasantsy sy Gazoil isika... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho ani'izy 6 mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja Judo taona 2022 sy ny fibatana fonjamby taona 2021, teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny filoham-pirenena Andry Rajoelina...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco