♦ Tsy ankasitrahan'ny VMF na ny Vondron'olona Miaro ny Fitondrana ny hanaovana ny fikaonan-doham-pirenena eto Madagasikara. Milamina ny eto Madagasikara ka tsy hitan'izy ireo ny antony hanaovana izany... ♦ Hiteraka olana vaovao eo amin'ny fandraharahana ny sehatry ny lavanila ny nameran'ny fanjakàna ny vidin'ny lavanila masaka ho 500.000 Ariary/kg hoy ny K.M.T.A na Kômity Miaro ny Tombontsoan'Antalaha ivondronan'ny Mpisehatra lavanila rehetra any an-toerana... ♦ Hiakatra kianja, hiatrika ny lalao ampaha-efa-dalana amin'ny Afrobasket U18, fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika Basket-Ball, anio indray ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy. Hihaona amin'ny Guinéen, ny Ankoay lehilahy, ary Tanzaniane ho an'ny vehivavy...
♦ Nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualteri, Solontenan'ny Papa teto Madagasikara ny Fivondronamben'ny Eveka. Handao tsy ho ela an'i Madagasikara izy ary voatendry hiasa any Pérou indray... ♦ Nisokatra omaly tany Mahajanga ny Zaikabe faha-21 ho an'ny FKTLM na ny Firaisan'ny Kristiana Tanora Loteriana Malagasy. Nanantrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filoham-pirenena mivady... ♦ Feno 31 taona androany ny diaben'ny fahafahana niainga teny Analakely nihazo ny lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Fifandonana any Gaza, palestina 3 no maty omaly vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika israeliana tao Naplouse ao Cisjordanie...
♦ Nisaotra sy nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Handeha tsy ho ela any Pérou mantsy izy... ♦ Zava-dehibe ho an'ny Filoham-pirenena ny fiaraha-mientana amin'ny tanora sy ny fanohanana ny asan'ny Fiangonana FLM, ka antony nanatrehany ny fanokafana ny Zaikabe faha-21 an'ny Firaisan'ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy, tany Mahajanga, androany... ♦ Vokatry ny pôlitikan'ny fitsitsiana dia nahavita nitahiry 1300 milara ariary ny fitondram-panjakana, noho ny nanafoanan ireny rantsa-mangaika samihafa teny amin'ny Minisitera ireny...
♦ Nametraka fepetra amin'ny lahadinika amin'ilay fikaonan-doham-pirenena kasaina hatao amin'ny volana septambra io ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy na ny RDS... ♦ Hanapa-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiana amin'ny tokony hanesorana ny tale jeneralin'ny APMF ny sendikan'ny mpiasa SYPAMM androany. Nandà ny filazàna azy ho nanao kolikoly etsy ankilany ny tale jeneralin'ny APMF... ♦ Efa tafapetraka ny ivon-toeram-pibaikona hisahana ny fandaminana samihafa mandritra ny JMJ mada andiany fahafolo izay ho tanterahana any Antsirabe... ♦ Miatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary fifidianana isam-paritra ny any Kenya...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco