♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...

♦ Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahafaty an'i Mendrika. Efa namoaka ny taratasy fahazoan-dalana manenjika ireo miaramila 13 voakasika ny MDN... ♦ Tamin'ny taona 2017, nahatratra 2 700 000 isa ny olona matin'ny loza nandritra ny asa, eran-tany. Midina ifotony manara-maso ny fanajana ny fahasalamana sy ny aro loza ny Ministeran'ny asa... ♦ Ho fanomezan-danja ny asa soratra sy ny vaky boky dia tontosaina eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy ny hetsika tsenaben'ny boky andiany-I ...

Namerina nampahatsiahy ireo solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, momba ny fomba fanehoan-kevitr'izy ireo. Tsy ho voasahan'ny zo tsy azo henjehina ny teny atao ivelan'ny andraikitra maha parlemantera, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa...

[Miara-dàlana] Zoma 10 jolay 2026

• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...