♦ Namafisin'ireo solombavambahoaka miisa 28 nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta farany teo fa tsy mifanraka amin'ny lalàna ny nampiatoana izany. Nanatitra fitoriana any amin'ny Filan-kevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna indray izy ireo... ♦ Hifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona voavao ao Antananarivo renivohitra ny antoko Tiako i Madagasikara rahampitso. Eny Tanjombato kosa no hanaovana ny lanonana amin'ny sabotsy ho avy izao ho an'Antananarivo-atsimondrano... ♦ Hikarakara fifaninana ho an'ireo tanora mpandraharaha avy amin'ny Faritra 23 ny federasiônan'ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria sy ny orinasa mpiara-miombon'antoka aminy...
♦ Nosoloina nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny governoran'ny Faritra miisa efatra eto amin'ny nosy, dia ny any Diana, Amoron'i Mania, Ihorombe ; voatendry omaly ihany koa ny governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro... ♦ Hanao laharam-pahamehana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Ministry ny Fitsaràna vaovao Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana... ♦ Namela takaitra tamin'ny Faritra miisa enina tany amin'ny tapany atsimon'ny nosy ny rivo-doza Freddy. Niisa 04 ireo olona maty araka ny tatitra vonjy maika navoakan'ny BNGRC omaly. Miisa 16 709 avy amin'ny fianakaviana 4 103 no tra-boina... ♦ Miantso fampitsaharana ny ady any Ukraine i Papa François omaly, tokony hitodika amin'ny fifampidinihana hikatsahana filaminana...
♦ Olona 4 no maty, maherin'ny 16000 ny traboina, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, raha ny tarehimarika vonjimaika navoakan'ny BNGRC androany... ♦ Misy Solombavam-bahoaka maromaro, hanolotra tolo-dalana hanatsarana ny firafitry ny CENI. Efa mandeha ny ady sisika mba hahafahana mampandany izany eny Tsimbazaza, hoy ny Depiote Roland Ratsiraka... ♦ Hohenoina tsirairay eny amin'ny PAC indray, ireo tale 36 eo anivon'ny JIRAMA, voarohirohy amin'ilay raharaha fizarana "prime" mihoapampana. Efa nohenoina androany ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, izay mpitory...
♦ Heverina hivoaka any amin'ny lakan-dranon'i Môzambika anio tolak'andro ny rivo-doza Freddy. Foana avokoa ny loza mitatao sy ny loza manambana, ary ny fanairana fa filazana fahamailoana sisa... ♦ Hoy ny CENI : tsy miankina amin'ny CENI irery ny fahafahana miroso amin'ny fifidianana kaominaly, manoloana ny antson'ny mpanao pôlitika sasany, ny amin'ny tokony hamoahana tetiandro amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna... ♦ Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana amin'ny tetikasa lalam-be migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ka miankina amin'ny valin'izany no hanomezan'ny ONE valin-teny amin'ny fizotry ny asa... ♦ Miverina mianatra rahampitso ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco