♦ Misy ireo entana lany daty miparitaka any Morondava. Takian'ireo mpanjifa ny hampahafantarana ny mpamongady mivarotra izany... ♦ Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tan Mananjary ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry... ♦ Hitarika tsy fitoniana amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny sakantsakana atao amin'ireo antoko pôlitika, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Miantso amin'ny tokony hamerenana ny fandriam-pahalemana ao Ukraine ny Papa François, amin'izao fahaherintaona nanafihan'i Rosia an'i Ukraine izao...
♦ Asa tanamaro, fanarenana ny CEG Mananjary, izay potiky ny rivodoza Freddy, no namaranana ny fitsidihan'ny Filohan'ny Repoblika, ny tany Mananjary androany tolakandro... ♦ Tsy hampisy fitoniana amin'izao mialoha ny fifidianana izao, ny fanakanana ny antoko pôlitika hamory ny mpomba azy, toy ny teny amin'ny Magro Behoririka androany, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Mila hamafisina ny fanatsarana ny ady amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany malagasy, hiarovana ny zon'ny mponina voakasika, hoy ny TI-MG androany...
♦ Tsy tafiditra teny amin'ny Magro Behoririka androany ny TIM, noho ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Tafakatra ho fito ankehitriny, ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC... ♦ Dingana iray ahafahana mametraka paik'ady sy maka fepetra haingana eo amin'ny fitantanana ny harena voajanahary, ny haitao sahanin'ny ONE...
♦ Nahatontosa ny atrik'asa fandravonana entina hiatrika ny Sinaody momba ny "Eglizy miara-dia", eo amin'ny dingana kaontinantaly, ireo solontenan'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny hisian'ny solontenan'ny mpanao pôlitika ao anatin'ny CENI, ny vondrona Panorama, raha nifamory teny Soarano... ♦ Misy tsy firindrana ny fitantanana ny rano any amin'ny lakan-dranon'i Dabara, any Morondava. Mpamboly 3000 eo no mitaraina ho tsy ampy rano hambolena, ka nanome fe-potoana hitadiavam-bahaolana, hatramin'ny faran'ny volana marsa izao...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco