• Hosoniavina rahampitso ny tondrozotra takian'ny SADC sy ny Vondrona Afrikana amin'ny mpitondra malagasy, mialoha ny faran'ny volana febroary. Tsy isan'ny handray anjara amin'ny fikaonan-doham-pirenena, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Natolotra androany ny tondrozotra sy ny drafitra fampiasam-bola momba ny fiompiana ho an'ny taona 2026 sy 2030. Tamin'ny alalan'ny atrikasa teny amin'ny Carlton Anosy no nanehoana izany... • Tokony hatao laharam-pahamehana, hoy i Dokotera Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, amin'izao fanavaozana izao. Tajona apetraka ny fitomboan'ny harin-karena mihoatra ny 10 %...
♦ Nanolotra tondro-zotra afahana mamoron'asa mivantana ho an'ny Malagasy 14.500 ny vondron'ny mpandraharaha eto Madagasikara sy ny MEDEF International... ♦ Hatolotra ho dinihina mandritra ny filan-kevitry ny ministra ny tolo-kevitr'ireo diaspôra amin'ny hanalavàna ny fe-potoana hampiasana ny pasipaoro Malagasy... ♦ Olana ara-bola sy ara-poto-drafir'asa ary ny famaroan'ny fampidirana olona am-ponja vonjimaika no mahatonga ny fahafenoan'ny fonja eto Madagasikara hoy ny fikambanana ACAT Madagasikara... ♦ Nandefa fanampiana ho an'ny vahoaka Ukranianina tamin'ny alalan'ny "Aumonerie apostolique" any an-toerana ny Papa Léon-XIV...
♦ Andrasana ny akon'ny fihaonana teo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Michaël Randrianirina sy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron omaly tolak'andro tao amin'ny lapan'i Elysée... ♦ Nalefa nody taorian'ny fanadihadiana nataon'ny mpitandron'ny filaminana azy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Antananarivo-IV, Rafidimanana Désiré... ♦ Vita hatrany amin'ny 90% ny asa fanamafisana ny fefiloha ao amin'ny toho-dranon'i Tongoloina, eny amin'ny Kaominina Ampahitrosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦ Mpitandron'ny filaminana manodidina ny 10.000 no indray nahetsika hamerina ny fandriam-pahalemana ao Mexique...
• Nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Paris ny tolak'andro teo, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël... • Nitohy tetsy amin'ny CCI Ivato androany, ny fihaonana tafiditra ao anatin'ny dinika ho fanaingana ny toekarena malagasy... • Tafapetraka ao Toamasina ny Centre Opérationnel Mixte, natao handrindra sy hanafainganana ny asa fanarenana any an-toerana, araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BNGRC...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco