♦ Miisa enina ireo kandida hihazakazaka hisolo tena ny mpanao gazety eny amin'ny CENI Alarobia. Hotanterahina ny zoma izao amin'ny alalan'ny SMS ny fifidianana... ♦ Mitsipaka marin-drano ny fikasan'ny fitondrana ankehitriny hanendry indray ireo lehiben'ny Fokontany ny Antoko FIVOI. Antony iray notakiana tamin'ny hetsi-bahoaka farany teo ny fanoherana izay fanendrena ny lehiben'ny Fokontany izay hoy ity antoko ity androany... ♦ Tsy bozaka no tena olana amin'ny Kianjan'i Mahamasina fa olana hafa mihitsy, hoy ny mpamakafaka baolina kitra sy mpitia io taranja io, Randriamasinoro Herinaivo (Gothlieb) Tsy vahaolana ny fanovàna ny bozaka ho synthétique...
♦ Nametra-pialàna tsy ho Sekretera Jeneralin'ny COI intsony Atoa Edgard Razafindravahy. Tsy fantatra mazava aloha ny anton'izany. Misy ifandraisany amin'ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ve?... ♦ Tokony hofidiana ny Sefo Fokontany manomboka izao, hoy ny fanambaran'ny Kômity Miaro ny Tolona tamin'ny faran'ny herinandro teo. Mitaky ny hanalàna ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo-renivohitra izy ireo... ♦ Miakatra fampanoavana amin'ity Talata ity ny Ben'ny Tanànan'ny Tsarasaotra any amin'ny Distrika Ambositra, taorian'ny fisamborana azy. Olana ara-tany hitorian'ny Diôsezin'Ambositra azy no anton'izao raharaha izao...
♦ Natokana ho andro hivavahana ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany ny sabotsy 11 avrily izao. Namoaka hafatra momba izany ny Papa Léon-XIV, tamin'ny alahadin'ny Paka teo... ♦ Olona 6 no niatrika fety tany am-ponja noho ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon'ny Fond Souverain Malagasy. Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy Tsiafahy izy ireo... ♦ Noferan'ny Fanjakàna ny vidin-tsolika farany ambony eto Madagasikara. Mbola voatàna mitovy tamin'ny vidiny tamin'ny volana marsa teo izany, araka ny fampitam-baovaon'ny OMH... ♦ Mandrahona hamotika an'i Iran ny filoha amerikana omaly...
♦ Fanamby lehibe napetraky ny Filohan'ny Filan-kevi-panjakàna Rabarisoa Andrianaina ny hamoahana ao anatin'ny telo volana ny didim-pitsaràna momba ny fifanolanana ara-pifidianana Ben'ny Tanàna farany teo... ♦ Efa misy manova koa ankehitriny ny daty fara-fampiasàna ireo fanafody, araka ny tatitry ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara... ♦ Vary simba 13 kitapo no tra-tehaka teny Andravoahangy, nandritry ny fidinana ifotony nataon'ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Latsa-danomaso ireo injeniera iraniana rehefa nanopimaso ilay tetezana nodarohan'ny amerikana baomba ; sivily 13 no namoy ny ainy tamin'ny firodanan'io tetezana io...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco