♦ Nanao hetsika teny Anosy androany ireo manana ny maty, noho ny raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny poizina nahafaty ny havany izy ireo... ♦ Hatao rahampitso eny Anosy ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Toliara. Mitombona ny porofo napetraka hoy ny kandidàn'ny mpanohitra, Frérot l'homme noir, androany... ♦ Misy amin'ireo mpiadina no namarana tanteraka ny fanadinana Bakalôrea androany. Samy nanan'ny filazany momba ireo laza adina niadinana tamin'ny ankapobeny, izy ireo... ♦ Nianjera tany atsinanan'i Rosia androany maraina ny fiaramanidina Antonov, nitondra olona 49...
♦ Hotanterahana ny 28 jolay hatramin'ny 01 aogositra izao ny herinandron'ny fampiroboroboana ny indostria. Tafiditra amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 ity hetsika ara-toekarena ity... ♦ Mihena ny voka-bary tamin'ny faritra maro tamin'ity taona ity, isan'izany ny tao amin'ny Faritra Vakinankaratra. Zara raha nahazo iray taonina ny tantsaha raha nampiakatra 5taonina isaky ny Hektara teo aloha... ♦ Nametraka andriamasom-pokonolona maharitra nomena ny anarana Voromahery ny ao amin'ny Kaominina Ankilimalinike-Toliara-II, manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mihatra amin'ny mponina...
♦ Olona maromaro no efa nahiditra am-ponja sy hanaovana fanadihadiana momba ny fisolokiana amin'ny fanadinana Bakalôrea hoy ny Ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tsy mbola misy hoy izy fivoahan'ny laza adina mialohan'ny fotoana... ♦ Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy omaly ireo fianakaviana manana maty nametraka fitoriana noho ny raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nitranga teny Ambohimalaza... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 i Madagasikara hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny...
♦ Misy ireo olona nosamborina noho ny fisandohana ho mpiadina bakalôrea, tao koa ireo mpiadina nanao hosoka tsy afaka nanohy ny fanadinana intsony, ankoatra ireo nisoloky amin'ny laza adina izay efa notazomina am-ponja... ♦ Tanjon'ny fitoriana ataon'ny fianakavin'ireo lasibatry ny raharaha sampana hihazo Imerinkasinina-Ambohimalaza ny hamantarana ny marina indrindra ny hampiharana ny lalàna amin'ireo rehetra voakasika tamin'iny raharaha iny hoy ny mpisolovava... ♦ Efa vonona i Madagasikara hampiantrano ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45 hoy ny avy amin'ny fitondram-panjakàna androany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco