♦ Nitondra ny teny fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy sy nanohana ny Radio Don Bosco tamin'ny fanatanterahana ilay tantara an-tsehatra "Ratsy fototra" natao teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny sabotsy 19 septambra teo ny talen'ny RDB... ♦ Andray fitenenana voalohany mandritry ilay fivoriana avo lenta faha-81 ny firenena mikambana any New York rahampitso alakamisy 24 septambra ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Voamarina fa tazomoka, tazo mahery ary kitrotro ilay aretina niparitaka ary nahafaty olona 37 tany amin'ny Distrika Ifanadiana ; ho fehezina anatin'ny taba-bolana ny aretina...