♦ Nanamafy androany Andriamatoa Elia Rabevahiny fa tsy miova ny birao nasiônalin'ny KFIM ary mpisandoka izay mitonona ho filoha nasiônaly vaovao... ♦ Nanatanteraka hetsika teny Ampefiloha, androany, ireo tanora 590 voaray ho mpiasam-panjakàna teo anivon'ny minisiteran'ny fampianarana taknika izay tsy mbola miasa na dia efa nahavita fifanarahana arak'asa aza... ♦ Efa potika tanteraka ka tena mila vahaolana maika i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena Pr Freddie Mahazoasy... ♦ Tsy nahafaly ny praiminisitra israeliana Beniamine Netanyahy ny lahateny nataon'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny fivoriamben'ny N.U...