♦ Sokafana amin'ny fomba ôfisialy eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11... ♦ Nambaran'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, fa tany manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tsy ekena ny faintsoana tafika avy any ivelany hiaro azy... ♦ Miatrika Kôngresy Nasiônaly mandritra ny roa andro, nanomboka androany, ny antoko HVM...

♦ Handray anjara amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, amin'ny alalan'ny antoko APM, Andriamatoa Razafitsiandraofa Jean Brunelle... ♦ Hanamarika ny andro anio ny lalao fanokafana ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, izay tanterahana eto Madagasikara... ♦ Manao andiany maro ireo tanora sy ray aman-dreny, miezaka mijery ny torolalana amin'ireo hay ranty momba ny fampianarana ambaratonga ambony...

♦ Hanofana an'ireo vonona hampiasa ny HayFidy manomboka amin'ity herinandro ity ny Transparency International namolavola azy. Fitaovana hanampiana ny olom-pirenena mpifidy amin'ny fanapahan-kevitra manoloana ny latsa-bato ny HayFidy... ♦ Mahazo vahana indray tato ho ato ny fandripahana ala tsy ara-dalàna toa ny tranga tany amin'ny Faritra Analanjirofo sy Alaotra Mangoro. Nidina ifotony manamarina izay fandrimpahan'ala tsy ara-dalàna izay ny Tafo Mihaavo... ♦ Nidina an-dalambe nitaky ny hitohizan'ny fampianarana ny mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo androany maraina...

♦ Nisokatra omaly ny fametrahana ny  taratasy firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana. Tsy mbola nisy kandidà nanatitra ny antontan-taratasiny omaly... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny sata fitsipi-pitondrantenan'ny mpanao pôlitika. Nanao sonia izany ny antoko miisa 35... ♦ Manomboka mirongatra indray ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara amin'izao ankatoky ny fifidianana izao hoy ireo firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ny tranga nanomboka ny volana jona teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...