♦ Efa miatrika ny zandary Sampana Heloka Bevava eny Fiadanana, ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, izay ahiahiana amin'ny fiantsoana ireo miaramila hikomy... ♦ Mandindona ny fiaraha-miasa eo amin'ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena sasantsany sy ny Filoha vao voafidy farany teo, hoy ny antoko Otrikafo... ♦ Misokatra manomboka anio, ny làlana mampitohy an'Ifanadiana sy Ikongo, rehefa tapaka nandritra ny tapa-bolana, noho ny fanamboarana ny tetezana tao amin'ny PK 10...

♦ Tsy antenaina ny hahatanterahan'ny fihaonana eo amin'ireo Solombavam-bahoka sy ny mpikamban'ny Governemanta anio, na dia mbola voatazona aza ny fandaharam-potoana ny amin'izany... ♦ Noravan'ny Filankevi-panjakana ny didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, izay nampiato ny fandroahana an' Baba Rakotoarisoa amin'ny asany... ♦ Niantso ny mpanjifa ho mailo amin'ireo entana lany daty, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, amin'izao vanim-potoana hidirana amin'ny fety izao...

♦ Voafidy ho Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an'ny Faritanin'Antananarivo, Andriamatoa Naivo Raholdina. Izy indray no hitana io andraikitra io, tao aorian'ny fodiamandrin'ny Depioten'i Faratsiho, Honoré Rasolonjatovo... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo kôlônely roa zanak'i Vakinankaratra, voarohirohy tamin'ilay raharaha ambara fa fikotrehana fanonganam-panjakana, ny fikambanana ivondronan'ny terak'i Vakinankaratra. Nanao fanambarana tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany...

♦ Hatolotra hodinihan'ny anteniera mpanao lalàna ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny asa eto Madagasikara. Mbola misy andininy tokony hahitsy nefa ao anatiny hoy ny randrana sendikaly... ♦ Mahaliana ny 52% amin'ny malagasy nanaovan'ny gazety boky pôlitika fanadihadiana ny momba ny pôlitika... ♦ Mamono mpanjono miisa 100 isan-taona ny loza an-dranomasina eto Madagasikara. Ny fiovan'ny toetr'andro tapoka ny an-dranomasina sy ny tsy fahalavorarian'ny fitaovana ampiasaina no isan'ny antony hoy ny mpanjono... ♦ Vahinin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine any Rosia ny filoha iraniana Ebrahim Raïssi. Isan'ny horesahan'ny roa tonta ny zava-misy any Gaza...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...