♦ Hisy iraky ny Firenena Mikambana ho avy eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, hanara-maso ny zotram-pifidinana. Andrasana ny mety hisian'ny fihaonan'izy ireo amin'ny mpisehatra pôlitika, hiresahana ny toe-draharaham-pirenena... ♦ Miaka-bidy indray ny vary eny an-tsena, indrindra ny eto Antananarivo amin'izao. Tsy vary vokarina eto an-toerana ihany no nisondro-bidy fa ny vary Stock ihany koa hoy ny tatitry ny mpiaro ny zon'ny Mpanjifa PMH... ♦ Nahafatesan'olona miisa 6, ny fifampitifirana teo amin'ny dahalo mpangalatra omby sy ny Fokonolona nampian'ny Zandary tany Andohan'Ilakaka. Rava tamin'izao fifandonana izao ny fikasan'ireo dahalo saika hangalatra omby 73 isa...
♦ Hamory vahoaka eny Mahamasina amin'ny zoma izao iero vondron'ny kandikà 11. Hanatsahatra ny fitetezam-paritra ataony avy aloha izy ireo hoy ireo solon-tena nanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana teny Tsimbazaza omaly... ♦ Nandiso ny filazàna ny Ministry ny Rano fa nijanona ny tetik'asa "Pipeline Efaho" ilay fitarihan-drano any amin'ny faritra atsimon'ny nosy. Tonga omaly any Taolagnaro ny ampahany amin'ireo fantsona ampiasaina amin'izany... ♦ Mponina an-jatony, mipetraka amin'ny trano 100 tafo eny amin'ny fokontany Morondava, ao Antehiroka no kasain'olom-bitsy esorina amin'ny tany nonenany sy noajarina tanatin'ny 30 taona. Nitaraina tamin'ny haino aman-jery izy ireo, miantso vonjy amin'ny tompon'andraikitra mahefa...
♦ Tsy marina ny filazana fa nijanona ny tetikasa Pipeline Efaho, fitarihan-drano any atsimo, hoy ny Minisitry ny Rano... ♦ Mponina an-jatony mipetraka amin'ny trano zato tafo eny amin'ny Fokontany Morondava Antehiroka, nokasain'olom-bitsy hesorina amin'ny trano onenany sy nohajariany tao anatin'ny 30 taona... ♦ Nahitana razana miisa valo tao amin'ny toeram-pitsangatsanganana iray tany Mexique, mbola tsy fantatra ny anton'izany...
♦ Tsy hitondra soa ho an'ny firenena sy ny vahoaka malagasy ny fambolena krizy vaovao ka nanaovan'ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana antso avo... ♦ Ampy izay hoy ny antoko RDS, ny famiravirana, ny tsy fanajàna ny Lalam-panorenana sy ny Lalàna velona izay loharanon'ny tsy fampandrosoana ny firenena, tao anatin'ny fanambarana... ♦ Mbola olana ho an'ny mpanao gazety ny fahazona loharanom-baovao eo anivon'ny andrim-panjakàna sy ny ministera hoy ny ONG Ilontsera... ♦ Hafaliana no nandraisan'ireo miaramila mitàna ny fahefana any Niger ny filazan'i Frantsa fa hampody ny tafi-panjakana frantsay sy ny masoivohony i Frantsa...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco